Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Trafo
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Trafo
Hampiditra ohabolana
1.
Trafon-kena ambony ravina, ny manindry malemy, ny tsindriana malemy
hery
2.
Ny fanambadiana toy antsapaka , ao ny mahazo ny trafony ao ny mahazo ny rambony
aivetinakely
3.
"aza midongy ho avo hoatra ny tandroka, na ho ambony hoatra ny trafo, fa tsy ny ambony no hajaina, fa izay hajaina no ambony"
tenymamy
4.
Ny fanambadiana toy ny toko-kena,raha tsy sendran'ny trafony dia sendran'ny taolany
Janesraj11
5.
May tsy mba homana ohatra ny soitrafo
yveratsimb
6.
Trafo-kena ome-mahery, am-bava homana, am-po mieritra
yveratsimb
7.
trafo-kena ome-mahery: am-bava homana, am-po mieritreritra.
itaramasoandro
8.
Banga mihinan-trafon-kena ka lasa tsy antonontonona.
soanja
9.
Lelafin-ko mandina tahaka ny trafony.
soanja
10.
Trafo nasondrotry ny nofo.
soanja
11.
Asisika ho may toy ny soitrafo.
soanja
12.
Trafo-kena ome-mahery ka ambava homana am-po mieritra
kiriah
13.
Trafon-kena ome-mahery:am-bava homana, am-po mieritreritra
niryna
14.
Antsapaka ny fanambadiana ka ao ny mahazo ny trafony, ao ny tandrify ny tandrony.
aivetinakely
15.
Tsy mba ny rambony hanamavo ny vodiny aho fa ny lelany hanamandona ny trafony.
niryna
16.
sola homan-trafon-kena, ka any an-kibo no manao fito an-kila
latina
17.
Trafon-kena ome-mahery ambava homana am-po mieritreritra
JMR
18.
Trafon-kena ome-mahery, am-bava homana am-po mieritra
jentilisa
19.
Tsy mba ny rambony hanamavo ny vodiny aho, fa ny lelany hanamandina ny trafony
hery
20.
Tahaka ny tokon-kena ny fanambadiana, ka ao ny sendra ny trafony, ary ao kosa ny sendrany lohaliny.
hery
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.0021