Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe afon
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
afon
Hampiditra ohabolana
1.
Trafon-kena ambony ravina, ny manindry malemy, ny tsindriana malemy
hery
2.
Ny fanambadiana toy antsapaka , ao ny mahazo ny trafony ao ny mahazo ny rambony
aivetinakely
3.
tafondro izany hoy ny feon'ilay jamba voatsapa
doly1
4.
hala mamelatra trano am-baravarana: tsy mibahana ahy androso fa mamandrika sakafony
ramandasonfelix
5.
mpajono no tompon'ny trondro,fa ny anglisy no tompon'ny tafondro
heriy
6.
Ny fanambadiana toy ny toko-kena,raha tsy sendran'ny trafony dia sendran'ny taolany
Janesraj11
7.
Ny fifalian'ny sasany toa fahorian'ny hafa, ny sakafon'ny sasany toa poizina mifono ho an'ny hafa
yveratsimb
8.
Lany aloha hoatra ny sakafon-doholana.
soanja
9.
Andevolahy maty hariva, ka vovon'alika no anjara tafondrony.
soanja
10.
Donak afon' analakely ka tonga dia eny ambovonana
kiriah
11.
Banga mihinan-trafon-kena ka lasa tsy antonontonona.
soanja
12.
Lelafin-ko mandina tahaka ny trafony.
soanja
13.
Sorona afon'adala, ka ny eo aloha tsy levona, ny aoriana asesika ihany.
soanja
14.
Otrik'afon'apombo ka tsy midonaka fa mivaivay.
soanja
15.
Trafon-kena ome-mahery:am-bava homana, am-po mieritreritra
niryna
16.
Aza atao toy ny afo mololo, miredareda fa mora maty, fa ataovy toy ny afon'ampombo, misoko mangina fa maharitra ela
aivetinakely
17.
Antsapaka ny fanambadiana ka ao ny mahazo ny trafony, ao ny tandrify ny tandrony.
aivetinakely
18.
Tsy misy hianterana toa bozaka : tanora sakafon ny omby; antitra sakafom patana
kanto1
19.
Tovolahy tsy mahalala ho an tena, sakafon alika gaigy.
kanto1
20.
Lany maina ohatran'ny sakafon-doholona
niryna
21.
Donak'afon'Analakely ka tonga dia any any ambovonany.
sylvoalias
22.
Manao afon'Analakely ka ambony vao midonaka
niryna
23.
Tafondro natifi-baratra ka tafahaona samy loza
niryna
24.
Ny fifalian'ny sasany toa fahorian'ny hafa, ny sakafon'ny sasany toa pozina mifono ho an'ny hafa.
niryna
25.
Donak'afon'Analakely avy hatrany dia any am-bovonana.
aivetinakely
26.
Tsy mba ny rambony hanamavo ny vodiny aho fa ny lelany hanamandona ny trafony.
niryna
27.
toy ny soron'afon'adala: ny aloha tsy levona, ny aoriana asesika ihany
latina
28.
Tsy misy hianterana toa bozaka: tanora sakafon'ny omby, antitra, sakafom-patana
latina
29.
sola homan-trafon-kena, ka any an-kibo no manao fito an-kila
latina
30.
Feony ihany, hoy ilay jamba mitsapa tafondro
latina
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.6497