Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe alohan
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
alohan
Hampiditra ohabolana
1.
Tsisy farany ohatran`ny zoma voalohany
RIJA08
2.
Voalohan'ny volana Janoary, voalohan'ny vokatra santa-bary, fa ny voalohan-teny tsy maintsy kabary
Azrael666
3.
Aza mitsako alohan'ny vazana
Aimpo
4.
Mahita volana alohan-dRabiby.
phales
5.
Jamba mangery amoron-tevana ka latsaka alohan'ny tainy.
Ny_Arlinah
6.
Tezitra alohan'ny rariny, ka tsy mahita ny hasiana ny hitsiny
fanantenanahadji
7.
Mpanjaka mahihitra,maty alohan'ny andevony
vizir
8.
manakarena mahihatra tsy ampy tsoka ka maty alohan`ny ombiny
luc1407fanomezana2
9.
voalohan'atody ka soritana arina
OZ16
10.
rafotsibe hangery amoron-tevana,latsaka alohan'ny tainy
sakaiz
11.
Raha te ho tafita amin'ny fiainana,ny zavatra atao voalohany dia miraiki-pitia amin'ny zavatra ataonao.
niryna
12.
Tezitra alohan’ny rariny ka tsy misy asiana ny hitsiny
yveratsimb
13.
Tezitra alohan’ny rariny, ka tsy misy asiana ny hitsiny
yveratsimb
14.
Kely vola ka mitatatra alohan'ny maro.
aivetinakely
15.
Lany hena alohan' ny olona ka ny nify no aolanolana
yveratsimb
16.
Tsy mifoha alohan'ny goaika.
soanja
17.
Fambara loza ny goaika tokana eny alohan'ny lalana izorana.
soanja
18.
Fody lahy mena vary ka manandrana alohan'ny tompony.
soanja
19.
Tsy maneno alohan'ny fitatra.
soanja
20.
Toy ny aviavy ka mangidy am-boalohany, fa mamy amin'ny farany.
soanja
21.
Aza atositosika ny sarimbavy fa tsy fantatra izay hanao feo voalohany.
Mahasahy
22.
Aza mitsako alohan`ny vazana
josiah
23.
Ny mpiantoka very alohan'ny mpitrosa.
aivetinakely
24.
Mpirahavavy mifanehatra, ka ny fideràna bika no alohan'ny maha-mpiray tampo.
aivetinakely
25.
Androngo niani-bato, ka ny kibo arovana indray no may alohan'ny lamosina.
aivetinakely
26.
Na mafy aza ny hanoanana, tsy hitsako alohan'ny vazana.
aivetinakely
27.
Mitsoalatsoala tahaka ny kavina lava ka jejo alohan'ny tompony
aivetinakely
28.
Mangery amoron-tevana ka latsaka alohan'ny tay
rafan78
29.
Aza magnano ahitra teraka alohan-jaza
niryna
30.
Aza mandidy alohan'Atra toa ny mpanotrika akoho
niryna
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0393