Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe amboa
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
amboa
Hampiditra ohabolana
1.
Tapa-pary nafiko amboa, antanana maharombaka (ohabolana antakarana)
Horista
2.
Vovoan'Amboa,tsy hery fa tahotra
Jj.be
3.
Aza mihomehy amboa mahia mba tsy hibozan'ny volony
tsara_ny_marina
4.
Ny fanatenana toy ny gitara vao namboarina ka raha maneno dia maravoravo.
Nassa
5.
"Tsy misy mahay maka fofo-pofona mihoatra ny amboa fa rehefa tojo fofo-kelika mitsoaka matanjaka"
vonjygildas
6.
Magnaza soliky ambararay ko malaiky amboa miriorio
andrinirinagermain48
7.
Lanonana ity fa ny amboa no ambeno
raz_sylvio
8.
Amboa mivahiny an-tany tsy fantatra, tonga tsy misy mpitsena, lasa tsy misy mpanatitra, atoandro tsy misy mpangoraka, harivariva misy mitoraka.
oely89
9.
Aza manao fihavanan'amboa ka taolana iray no isarahana.
tolozah
10.
Amboa mitsilany,tsy hanin'ny namany.
NIAINATOKY
11.
Torovok' amboa maro mahalala, fa ny fisafeliky ny rambony no tsy fantatra
yveratsimb
12.
Lava hadalana ohatra ny valalan' amboa : kely mitsipaka, lehibe mandady
yveratsimb
13.
Mahita amboa miady taolana ka mahatsiaro ny hena fony nandro
yveratsimb
14.
Amboalahy miandry embok' akondro: andrasana tsy latsaka, ilaozana toa hena
yveratsimb
15.
Amboa homana ondry, ka ny fo no manefa
yveratsimb
16.
Misavoamboana hoatran'ny tay entin-driaka
danbal
17.
Ny tsy anapenana sy amonoana ny lĂ lamboahangy hono, tahotry ny hanan-tsiny amin'ny Mpahary sy ny mpiara-belona.
mianjy
18.
Ny tsy anapenana sy am0onoana ny lĂ lamboahangy hono, tahotry ny hanan-tsiny amin'ny Mpahary sy ny mpiara-belona.
mianjy
19.
Vilany borin'Amboatany;ariana tsy foy,avela manebaka ny trano
niryna
20.
Mihanton-kariva hoatra ny salakan'Amboatany.
soanja
21.
Vilany borin'Amboatany: ariana tsy foy, avela manebaka ny trano.
soanja
22.
Fitiavako trandraka tsy hibabiako amboa. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
23.
Te-hoderain'ny amboa ka mikiky taolana tsy misy nofony.
soanja
24.
Fihavanan'amboa ka ravan'ny taolana iray.
soanja
25.
Ny akanga maro tsy vakin'amboa.
soanja
26.
Fiarin amboa lahy antitra ka aleo lo toy izay ho ankavana
kiriah
27.
Hano, kaikero! tsakotsakoy, raha resin'io ialahy tetitetehiko, avalako rano, omeko ny amboa, fa raha mahery rahavako voahangy, ividianako lamba, babeko maraina, tantanako hariva! Ndrofy lahy e! - Ireto teny fampiadiana angely fahizay.
soanja
28.
Izay vadana dia kary, na amboako na amboan'olona.
soanja
29.
Ondry bobo fanenjik'amboa.
soanja
30.
Ny mita-be tsy lanin'ny mamba ary ny akanga maro tsy vakin'amboa..
sylvoalias
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0337