Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe amboa
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
amboa
Hampiditra ohabolana
61.
Ny ondry voatsipy taolana, ary ny amboa voatsipy vilona: tao ihany fa nifanolana
latina
62.
amboa lahy miambozon-koditra: maniry hanina an-tenda
latina
63.
Aza sarotra ihamboana toa avan-dratsy
latina
64.
aza manao fihavanan'amboa, ka taolana iray no hisarahana
latina
65.
Jerem-potsiny ohatran'ny varin'amboa mahamay
herikely
66.
aza manao toa ny amboalahy miandry emboka akondro ; ka andrasana toa tsy hilatsaka ; ilaozana toa hena
fitaka
67.
Na ilaina aza ny sangy, ny tain'amboa tsy hifampitorahana
marozevo
68.
valalan'amboa ka ny tompony aza tsy tia azy
doum
69.
Amboan-dreningodona, izay mitondra kitapo arahina avokoa.
jentilisa
70.
valalan'amboa: tanora mitsipika, antitra mitsipika.
jentilisa
71.
Veliranon'amboa izay maty aloha hohanina
jentilisa
72.
Izay miaraka amin'ny amboalambo dia amboalambo
JMR
73.
Aza mihantsy amboa hanaikitra ny tena
McFy
74.
Aza mandaka amboa mandry
McFy
75.
Maty tsy alevin-kavana toy ny amboa
hery
76.
Aza sarotra ihamboana toa havan-dratsy
hery
77.
Mahita ny amboa miady taolana ka mahatsiaro ny hena fony nandro
ftma
78.
Valalan'amboa ka ny tompony aza tsy tia
jentilisa
79.
Na amboako na amboan'olona rehefa vandana dia kary
jentilisa
80.
Akanga maro tsy vakin'amboa
vale
81.
Na amboako na amboan'olona, izay vandana dia kary.
lanto
82.
Aza manao fihavanan'amboa ka taolana iray no isarahana.
lanto
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0921