Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe amboa
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
amboa
Hampiditra ohabolana
31.
Vorivorin'amboa ka tsa misy hevitra tapaka fa oro-body ro be ao !
sylvoalias
32.
Aza variana amin'ny amboa tsa ho vola fa ny saka valo ariary !
sylvoalias
33.
Mpamosavy vovozin'amboa, kaosenao ia fa tiaanao evao ity raha mazary.
vesta
34.
Vady tsy vita fĂ´mba ka raha tromban'Amboa, avy tsy kahiana
hery
35.
Adala toa valalan'amboa, mitsipika mandrak'antitra.
aivetinakely
36.
aza manao amboa nidesina manitry! mahazo ny ilany
xavier206
37.
Toy ny parakin'Amboatany:misy ihany fa mampandozaina
niryna
38.
Fanitsiana kely:Aza mihantsy amboa hanaikitra ny tena
niryna
39.
Manamboara fo, fa aretina tsy misy fanafany ny manin-tany.
aivetinakely
40.
Efa lany andro ny vady amboarina.
aivetinakely
41.
Namboarina nitovy ny olona fa ny faniriana ao anaty no tsy itovizany
niryna
42.
Matahotra ny amboa tsy ho vola ka mivarotra ny saka dimy ariary efatra.
aivetinakely
43.
Badolahy mian-tsena ka siramamy no atoraka amboa.
aivetinakely
44.
Amboa nihaza jorery ka ny feo no re
niryna
45.
Valalanamboa: tanora mitsipika, antitra mitsipika
kanto1
46.
Aza manao toy ny valalan'amboa ka na efa antitra aza mitsipika ihany.
aivetinakely
47.
Ny ondry voatsipy taolana, ny amboa voatsipy vilona, tao ihany fa nifanolana
niryna
48.
Aza lany andro amin'ny amboa tsa ho vola fa ny saka valo ariary(ohb.betsileo)
sylvoalias
49.
Dorobok'amboa maro mpahalala fa ny isafelehan'ny rambony no tsy fantatra.
desirelyaime
50.
Ny akanga maro tsy vakin'amboa
niryna
51.
Ny amboa aza atao hoean'ny malala
niryna
52.
Amboalahy miandry embok'akondro, andraza tsy latsaka, avela toa hena.
ilanto
53.
Ny kary tsy tia, ny amboa maivivy.
niryna
54.
Hariharina tahaka ny varin'amboa mahamay.
aivetinakely
55.
Maty tsy isaonana toy ny amboan'ny mpamosavy.
ikalamako
56.
Aza manao fahanteran'amboa ka antitra vao misary gaigy
raiders
57.
Tsy mety raha miala maina toy ny mandevina amboa.
niryna
58.
Mila dera amin'ny amboa ka taolana maina no iambozonana
felana
59.
Aza manao amboa ditsoka (na dian'omby jamba)
latina
60.
Amboa nihaza mamba, ka mandimby ananana
latina
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.033