Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe an-tanàna
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
an-tanàna
Hampiditra ohabolana
1.
vary sy rano, antsaha tsy mifanary, an-tanana tsy mifandao
RIJA08
2.
Mandremby manan-tohotra : tsy mahazo ny an’ ala, omana ny an-tanàna.
ikalamako
3.
Ny vady dia toy ny fotaka an-tanana ka ho fehezina miporitsaka,hatao goragora hiala
Kiady KYLIAN
4.
Mba ho tahaka ny rano sy vary ka an-tsaha tsy mifanary, an-tanànana tsy mifandaho.
0000
5.
Tahaka ny hadi-voanjo ny fanompoana: ka tsy ny momba ny tahony ihany no atao an-karona, fa ny mipetraka amin'ny tany hohazan-tanana koa mba hamenoana ny harona.
soanja
6.
Tovovavy miady an-tanana ka tsy avelan'ny fantsakana tsy hiray.
soanja
7.
Ny fanantenà na hanam-be matetika no amoizana ny kely ampelan-tanana.
aivetinakely
8.
Vorondolo monina an-tanàna haolo, tsy nangalatra fa tsara fonenana.
aivetinakely
9.
fandrotrarana an-tanàna haolo ka mandimby anaran-dray tsy satry
elyzo
10.
Ny valala tsy an-tanana tsy atolo-jaza
niryna
11.
Ny vorona iray eo an-tanana tsara lavitra noho ny vorona roa any an-tsaha
niryna
12.
Maty an-tanana toy ny valala samborim-boka
niryna
13.
Manaova toy ny rano sy vary, ka an-tsaha tsy mifanary, an-tanàna tsy mifandao
anahely
14.
fandrotranana an-tanana haolo ka misolo ny anaran-dray tsy satry
ikoto
15.
Aza manao fierin-kanin-jaza, ny an-tanana ariana, ny am-bava aloa
niryna
16.
Aza manao fierin-kanin-jaza: ny an-tanana, ariana, ny am-bava aloa.
latina
17.
Aleo manana iray an-tanana toy izay roa mbola ho avy
Ingahy
18.
Aleo manana vorona iray an-tanana toy izay zato eny an'habakabaka
Ingahy
19.
Ny nantenaina tsy azo ny an-tanana votsotra.
hery
20.
Mandimby ray tsy satry toa fandrotrarana an-tanàna haolo
doum
21.
Varotra amponga an-tanana; sady mahare ny feony no mahalany ny vidiny.
jentilisa
22.
tsy takona afenina toy ny tafika andrefan-tanàna
jentilisa
23.
Mahery an-tanana toy ny akoholahy fataka
JMR
24.
Akory ilay malaina: asaina miasa lohataona manao hoe vaky lafika aho, asaina manosy fahavaratra milaza ho mararin'ny tazo, avela an-tanàna tsy mahamasa-kanina.
jentilisa
25.
mifampiditra an-tanàna toy ny salaka sy vody
jazz666
26.
Vary sy rano an-tsaha tsy mifanary an-tanàna tsy mifandao
vale
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0214