Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe fary
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
fary
Hampiditra ohabolana
1.
Ny fandrantoana fahendrena dia tahaka ny fikororohana vary amin'ny fararano, ka izay mahay manavaka ny tsiparifary amin'ny vary no hahazo be.
Seranary
2.
Ny fitiavana dia tsy lany hamamiana, toy ny fary lava vangy
yveratsimb
3.
Tsy lany hamamiana tahaka ny fary lava vàny.
aivetinakely
4.
Rafotsibe nisika fary, ka ny natao hanamando ny tenda no nikiky ny akanjon'ify.
aivetinakely
5.
Aza manao tahaka ny fary ka ny lohany indray no matsatso.
aivetinakely
6.
Boka nangala-pary, ka ny fary tsy azo, ny tanana feno lay
niryna
7.
Tsy lany hamamiana toy ny fary
niryna
8.
Ny fitiavana dia tsy lany hamamiana toy ny fary lava vany
niryna
9.
Aza manao toy ny fary ka ny lohany indray no matsatso.
aivetinakely
10.
Rafotsibe misika fary, ny natao hahamandomando ny tenda indray no nampiendaka ny akanjon'ify.
aivetinakely
11.
Boka managala-pary, ny fary tsy azo, ny tanana feno lay
latina
12.
Ny fiarahabana toy ny fary lava vany ka tsy lany hamamiana
vato
13.
Boka mikavina, tsy haingo fa fitehirizan-karena. Boka mangala-pary : ny fary tsy azo, fa ny tanana feno lay. Boka mangala-boatavo, ka mifampitolona samy malama.
natix007
14.
Lehilahy miloloha tantely, mibaby akondro, misekelika fary, izay rehetra nentiny mamy avokoa.
jentilisa
15.
Maro ihany ny hazo, fa ny fary no mamy
hery
16.
kanto ny raozy fa misy tsilony, mamy ny fary fa misy faikany
jentilisa
17.
Maro ny hazo fa ny fary no mamy
jentilisa
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0307