Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe jaza
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
jaza
Hampiditra ohabolana
1.
Tsobokonim-bobaka tsy veraverain-jaza mataho biby
Tsipakay
2.
Aza ny ahakelin'ny maojany no jerena, fa ny haben'ny lohan-jaza havoakany
lehsabotsy
3.
saro-tadiavina hoatran'ny aretin-jaza ny marina
manyng2017
4.
Adaladala fiandry trano ka homam-barin-jaza.
BEDOGAIGY
5.
Aza atao fitiavan-jaza ka androany aho tia, rahampitso aho bedin'ny dada, afaka ny ampitso aho tia olon-kafa.
yveratsimb
6.
Amalon'iMoriandro, tsy hain-jaza , tsy haim-behivavy.
aivetinakely
7.
Aza manao tahaka ny vorontsiloza : mikorefarefa tsy ankizivavy, dia izy ihany ; manakora tsy adin'ombilahy, dia izy ihany ; miambozom-boahangy tsy renin-jaza, dia izy ihany ; midoboka tsyampongabe, dia izy ihany.
yveratsimb
8.
Fon-jazalahy, atakalo, fon-jazavavy
rijadolly
9.
Tonga tsy tonga karaha aomby nakarin-jaza. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
10.
Tsakitsakin-jaza: tompony indraika izarana. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
11.
Adala mandeha miantsena ka ny siramamin-jaza natoraka alika
kiriah
12.
Valala tsy an-tanana tsy atolo-jaza
niryna
13.
Lalao amin-jaza ka atao izay tsy hampitomany azy
niryna
14.
Adin-jazakely, ka ny ranomaso maina ihany no fetrany.
aivetinakely
15.
Safidin-jazakely, ny marevaka ihany no mahasarika.
aivetinakely
16.
Fifanekena natao tamin-jaza, ianao ihany no hanampy azy hitadidy.
aivetinakely
17.
mitsaga-mihemotra toy ny lelon-jaza
Raherizo
18.
Aza magnano ahitra teraka alohan-jaza
niryna
19.
Toy ny fanahin jaza manjazana
kanto1
20.
Vorona tsy antanana tsy atolo-jaza
sylvoalias
21.
Aza manao ahitra teraka alohan-jaza.
niryna
22.
Ny valala tsy an-tanana tsy atolo-jaza
niryna
23.
Ny valala tsy an-tanana hono tsy atolo-jaza
niryna
24.
Malaza avy any namehana ka tsy nivimbina voasary ho an-jaza
rtol
25.
Valala tsy an-tànana tsy atolo-jaza.
aivetinakely
26.
Milaza tany Namèhana kanefa tsy mitondra voasary ho an-jaza.
aivetinakely
27.
Aza manao fierin-kanin-jaza, ny an-tanana ariana, ny am-bava aloa
niryna
28.
Raha fanambadian-tsy ho vanona, aleo mody hamelon-jaza
latina
29.
aza manao sain-jaza maroroka
latina
30.
amalon'Imoriandro aho, ka tsy hain-jaza tsy haim-behivavy
latina
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0929