Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe kanefa
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
kanefa
Hampiditra ohabolana
1.
Maika ohatran`ny boka hanambady kanefa ny tanana hanatsofohana peratra aza tsisy
RIJA08
2.
Aviavy be toy ny tandrimo, kanefa raha sendra rivotra milefitra ihany.
Zohimbato
3.
Ananao daholo ny zavatra rehetra kanefa hianao mbola mahatsiaro ho singan'irery ihany
niryna
4.
Mody tsy sompatra, kanefa mangalatra ny akondron’ny marary
yveratsimb
5.
Banga mihinan-kitoza ka tsirony no ilaina kanefa ny ivy indray no raraka.
soanja
6.
tambatambazan-koambakaina, tiana ihany kanefa adalaina Ny Andri-Fara
Rapha
7.
Mpamitaka tahaka ny lehilahy te-hampirafy, milaza tsy manana kanefa efa folo anaka.
aivetinakely
8.
Milaza ho malefaka am-bava kanefa mandefona ivoho.
aivetinakely
9.
Mahafinaritra ny mijery ny tongotra mandia amin'ny tany kanefa aza adino ny mamindra
niryna
10.
Dedaka famindra tahaka ny akoho, kanefa rehefa manitsaka sahafa lavo ihany.
aivetinakely
11.
Basin'ariary fito hoe ka tsy tian'ny manana kanefa tsy takatrin'ny mahantra.
sylvoalias
12.
MIriorio ny angidina kanefa any an-kady ihany no hiafarany
niryna
13.
Raha tsara tarehy kanefa tsy manana fanahy dia toy ny ako-bolamena ka mamiratra jerena
niryna
14.
very aho malalako, notaizaiko ho saka kanefa lasa kary
Rajordri
15.
Mody tsy miady aho hoe, tsy miady kanefa ny kobay an-kelika ihany
niryna
16.
Mody hoe tsy miady tsy miady kanefa ny kobay an-kelika ihany
niryna
17.
Miriorio toy ny angidina kanefa any an-kady ihany no ihafarany
niryna
18.
Maimay tahaka ny boka hanam-bady, kanefa na ny tànana hanafosafo tsy misy.
aivetinakely
19.
Mody milaza tsy miady kanefa ny kobay an-kelika ihany.
niryna
20.
Ataoka adala toa tezitra, ataoko hendry kanefa toa asa..
niryna
21.
Milaza tany Namèhana kanefa tsy mitondra voasary ho an-jaza.
aivetinakely
22.
Mody hoe tsy miady, tsy miady kanefa ny kobay hakelika ihany.
niryna
23.
Mody hoe tsy miady, tsy miady kanefa ny kobay akelika ihany.
niryna
24.
Milaza hoe tsy tia, tsy tia ;kanefa tsy manidy trano.
niryna
25.
Ny mpanota maniry ny andro ho maizina; kanefa ny jamba tsy azo ahoana.
latina
26.
Omena mody voky, kanefa mangala-pihinana ihany
hery
27.
Omena mody voky kanefa mangala-pihinana ihany
McFy
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0185