Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ombalahy
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ombalahy
Hampiditra ohabolana
1.
Tsipak`ombalahy, mahavoa mahafaty, tsy mahavoa mahafanina
RIJA08
2.
Ny henamaso ombalahy
yveratsimb
3.
Ny anatry ny ray toy ny tsipak'ombalahy, mahavoa mahafaty, tsy mahavoa mahafanina
yveratsimb
4.
Ny ana-draiamandreny toy ny tsipak'ombalahy, raha tsy mahavoa mahafanina, raha mahavoa mahafaty
ravomahandry
5.
Voronombalahy ka ambony miray lanitra, ambany miray lavaka.
soanja
6.
Very amin'ny adin'angely ny adin'ombalahy.
soanja
7.
Ombalahy resy an'ady ka mifiaka ny atsoro maina.
soanja
8.
Ombalahy nihehy votry, ka kimavon'ny nataony.
soanja
9.
Tahaka ny mividy ombalahy mpiady ka ny tandrony aloha vao ny vozony.
ontsy
10.
ombalahy mahia be tandroka ka mizaka ny tsy eran'ny aina
elyzo
11.
Ny valiha no tsy mifehy loha tsy marary;ny tongobolo no tapenam-bava tsy miteny;ny ombalahy tanimanga no tsy afa-mitrena soloam-bava.
aivetinakely
12.
Aza mandray ombalahy latsaka an-tatatra fa raha afaka izy manoto.
niryna
13.
Ny ana-dray aman-dreny dia toa ny tsipak'ombalahy, raha mahavoa mahafaty raha tsy mahavoa mahafanina
niryna
14.
Ny antry ny ray toy ny tsipak'ombalahy;mahavoa mahafaty, tsy mahavoa mahafanina.
niryna
15.
Ny olona marina toy ny ombalahy ampandronjinana: tsy folaka anio, tsy maty mandrakizay.
latina
16.
tsipak'ombalahy ny ana-dray sy Reny mahavoa mahafaty tsy mahavoa mahafanina
Malalason
17.
Ombalahy tanimanga, ny tompony ihany no mitrena
jentilisa
18.
Tandrok'ombalahy : sady haingo no fiarovana
JMR
19.
Ny anadray aman-dreny toy ny tsipak'ombalahy, raha tsy mahavoa mahafanina fa raha mahavoa mahafaty
mandrindra
20.
Ny tenin-draiamandreny toy ny tsipak' ombalahy : raha mahavoa mahafaty, raha tsy mahavoa mahafanina
hery
21.
Hazakaza-dava toy ny ombalahy
McFy
22.
Ny olona marina toy ny ombalahy ampandronjinana : tsy folaka anio, tsy maty mandrakizay
Fanja1
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0233