Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe rehetra
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
rehetra
Hampiditra ohabolana
1.
Farihy maty mamba ka itsobohan'ny adala rehetra
hery
2.
Fadio ny manao fatin-dalitra, ka maty mitety ny ratsy; fa manaova fatin-tantely, ka maty mamela mamy ho an'ny rehetra.
randriajj
3.
Adaladala manam-bety, ka izay rehetra hita, venty avokoa.
BEDOGAIGY
4.
"Amin'ny izay rehetra atao, tsarovy fa misy ny farany"
manirii
5.
Ananao daholo ny zavatra rehetra kanefa hianao mbola mahatsiaro ho singan'irery ihany
niryna
6.
Tiavo ny tenanao aloha dia manaraka ho azy ny zavatra rehetra
niryna
7.
Tsy fantatro loatra izay mahatafita ny olona fa raha te ho rendrika hianao dia omeo fahafapo ny rehetra
niryna
8.
Ny teny rehetra izay avoakan'ny vavanao no andraikitra lehibe ao aminao
niryna
9.
Izay aleha rehetra maneno sahona avokoa
niryna
10.
Iray ihany aho ka tsy afaka manao ny zavatra rehetra, tsy manda anefa fa afaka manao izay vitako sy tratrako ihany koa
niryna
11.
Izay rehetra azon'ny tànanao atao dia ataovy amin'ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin'ny fiainan-tsi-hita izay alehanao.
niryna
12.
Mihomehy hianao, mihomehy ny rehetra, mitomany kosa hianao dia hianao irery no manao izany
niryna
13.
Araraoty ny andro hanaovan-tsoa fa zava-poana izao rehetra izao
niryna
14.
Raha hihomehy hianao dia hiara-hihomehy aminao ny rehetra, raha mitomany hianao dia hianao irery ho hiaran'izany
niryna
15.
Ny fitiavana dia toy ny avelo, inoan'ny rehetra fa mbola tsisdy nahita maso.
sejianis
16.
Aza aseho ny nifinao rehetra raha tsy efa manaikitra hianao.
niryna
17.
Ny fahadisoana dia zavatra tsy maitsy alohanao amin'ny fiainanao rehetra.
niryna
18.
Fidio izay asa tianao ka toy ny tsy miasa ianao amin'ny androm-piainanao rehetra.
niryna
19.
Hamidio ny fanananao rehetra hamidy fahalalana tsara
doum
20.
Lehilahy miloloha tantely, mibaby akondro, misekelika fary, izay rehetra nentiny mamy avokoa.
jentilisa
21.
fanondro iray no marary ka ny tena rehetra no savihiny avokoa
jentilisa
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0115