Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe teza
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
teza
Hampiditra ohabolana
1.
Mpamosavy milevina amoron-dalana ka mahatateza ny vali-kitsaka
RIJA08
2.
Ny firaisana no mateza ny fifankatiavana no tady mandrohy azy.
yveratsimb
3.
- Haingo diso an'Iarivo, havalony hateza
danbal
4.
tsy misy mateza milevina hoatra ny voalavo, fa raha mitranga izy dia hanin'ny saka.
itaramasoandro
5.
Raha tiana ho tody ny lakana itàna,ny tevin-damosiny aloha no zahàna; raha tiana hateza ny lamba tinafy,tsongoy ny tenony fandrao tsy mafy; raha tiana hateza ny fanambadiana,ny alarofatra no anontaniana!
zokieva
6.
Raha maty aho mateza rahavako
niryna
7.
Izay ela netezana no lava volo
niryna
8.
Izay ela nohetezana hono lava-volo
niryna
9.
Zanahary nanao ny voay, tsy izay hahatsara azy fa izay hampateza azy ihany.
aivetinakely
10.
Hafa gny miteza gny variky, ko tegna gn'amokonany an-tratra
SENATERA
11.
Tezan-dongo, hoavin-tanà!
roscarb
12.
Izay ela nihetezana hono lava volo
vale
13.
Aza miandry teza ho lavo!
jentilisa
14.
Ny ela nihetezana lava volo
JMR
15.
Aza dia miandry teza ho potraka
hery
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0185