Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe toro
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
toro
Hampiditra ohabolana
1.
Ny hendry no anarina, ny mahalala no atoro
OZ16
2.
Zafe magnana-draza: anara ndra mahilala, toroa ndra mahihitse
vorihery
3.
Maha latsa ahy ty akoho tsy mitsako ro toro tay!
vorihery
4.
Tsy atoro fa hita hoe bay an-kandry
Longonao
5.
Adin' akoho vorom-bato : ny resy torotoro, ny mahery disadisaka.
BEDOGAIGY
6.
Adin'akoholahy vorombato: ny mahery disadisa, ary ny resy torotoro.
aivetinakely
7.
Torovok' amboa maro mahalala, fa ny fisafeliky ny rambony no tsy fantatra
yveratsimb
8.
Tsy misy afaka anome torohevitra tsara ho anao raha tsy hianao irery ihany
niryna
9.
Aza manao toy ny laona sy fanoto; Ka izy mivady no miady ka ny ankizy no voatorotoro.
Bita
10.
Goaika tsy atoro tanim-boanjo.
soanja
11.
Betsaka ny mandray ny toro-hevitra fa izay misaina ka mandray izany ihany no mahazo tombon-tsoa
niryna
12.
Ny toro-hevitra dia tsy raisintsika fa ny tena mila azy dia izay manda azy
niryna
13.
Ny olon-dratsy no matetika manolotra toro-hevitra tsara
niryna
14.
Ny antitra dia manome toro-anatra tsara raha toa ka tsy mampiseho ny fahazaran-dratsiny intsony
niryna
15.
Tsy misy afaka hanome toro-hevitra ny mpandaha-teny lava afatsy ny tenany ihany.
niryna
16.
Izay olona hanarina matetika ka mihamafy hatoka dia ho torotoro tampoka, ka tsy hisy fahasitranana
niryna
17.
Alraho ny torohevitry ny lahy antitra rehefa nahafoiny ny fahazaran-dratsiny.
niryna
18.
Ny maty ray aman-dreny toro vato nandiavana, ny maty zoky folaka andry niankinana
aivetinakely
19.
Zara variky torondrehy, mavo loha tsindria mavoloha
SENATERA
20.
Adin'akoholahy vorombato, ny iray torotoro, ny iray disadisaka.
jentilisa
21.
andao hitapatapak'ahitra sy hitorotoro ravina!
jentilisa
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3653