Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe voay
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
voay
Hampiditra ohabolana
1.
Manaotao foana toa an'Andriamanitra nanao ny voay
fensrakoto
2.
"Rehefa mety ny atao, na ny sahobakaka aza mampidi-drano an-tatatra, saingy rehefa tsy mety kosa, na ny ranon'apango misy voay"
ravelobe
3.
Raha lasa ny mamba, tonga ny voay, raha lasa ny tsara tonga ny soa
yveratsimb
4.
Vato navalavalan'ny voay: ny nivalavalanana tsy nipoitra,ny navalavala tsy ny nivoaka
niryna
5.
Voay lahy tsy miara-lovoka. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
6.
Vato navalavala voay: gny nivalavalana, tsy niboaka: gny navalavala tsy nivoaka.
soanja
7.
Ndre masiaky gny voay tsy homagn'anaky!
sylvoalias
8.
Gny voay sandra hamono, moa gny rano koa laliky.Gnay tsy mahay milagno!
sylvoalias
9.
Ndre masiaky gny voay, tsy homa gnanaky.
sylvoalias
10.
Refa mety ny atao de ny tsifoka mampirehitra afo;refa tsy mety kosa de ranonampango aza misy voay
comptezo
11.
Zanahary nanao ny voay, tsy izay hahatsara azy fa izay hampateza azy ihany.
aivetinakely
12.
Rehefa maty ny hatao, sao-bakaka aza mampidi-dranoketsa, fa rehefa tsy hety kosa, ranon'ampago aza misy voay !
hr9296
13.
any de tsy hita ohatry ny saobakaka nanjono voay
nalaina
14.
rehefa tsy mety hono ny atao na ny ranovola aza misy voay
vanjanofy
15.
Ady voay, mamban'ny Karijavola ka ny voamasony ihany no potsirina.
RALANTO
16.
Nanaonao foana ohatra an'ANDRIAMANITRA nanao voay
hery
17.
Izaho ve no namono ny voay dia ianao no hiravaka ny vanginy?
JMR
18.
Raha ny mamba sy ny voay no miady, dia aoka hifandramatra; fa tsy salaka ho tapaka, ary tsy lamba ho rovitra.
jentilisa
19.
Ady vomangan'i Kirijavola ka tonga dia ny voamasony no potsirina (Ady voay ama-mamban'i Kirijavola ka avy dia ny voamasony no potsirina)
hery
20.
Izay mamono ny voay no miravaka ny nifiny
jentilisa
21.
Lasa ny mamba misosoka ny voay
vale
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0832