Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe lahy
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
lahy
Hampiditra ohabolana
271.
Akoholahy mikohokoho akohovavy, tsy hanin-kahavoky fa voninahitra ifanomezana
jentilisa
272.
Aza mandidy alohan'Andriamanitra tahaka ny olona mampanotrika atodiakoho ka manao hoe ity kokolahy ity kokovavy.
jentilisa
273.
papangolahy anaty katsaka izay mivoaka babany avokoa
jentilisa
274.
Hazakaza-dava toy ny ombalahy
McFy
275.
Akoholahy miady am-pasika ka samy miaro ny masony tsy ho ditsoka
McFy
276.
Ataovy toy ny dian-tanalahy, tsinjovina ny eo aloha, jerena ny aoriana.
jentilisa
277.
Ny olona marina toy ny ombalahy ampandronjinana : tsy folaka anio, tsy maty mandrakizay
Fanja1
278.
Gisalahy homan-ketsa, izy mangalatra indray no avo vava
jentilisa
279.
Aza manao gisalahy homan-ketsa ka ny homana ny an'olona indray no avo feo.
lanto
280.
Malaza ho lahy ka tsy mandry an-efitra!
lanto
281.
Mirediredy ho lambolahy, fa rehefa mahita ampombo malemy, miketraka ho reni-kisoa.
hery
282.
Aza manao ganagana lahy : ny mitari-dalana indray no mihakely feo.
hery
Voalohany
Mialoha
8
9
10
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.017