Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ny
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ny
Hampiditra ohabolana
271.
Aza malahelo voalavo maty fa mbola be ny any an-tsaha
OZ16
272.
Aza manontany basy amin'ny Anglisy
OZ16
273.
Ny sakafo masaka tsa mba manan-tompo
OZ16
274.
Tsa misy rano tsa te ho agn'andreagna fa ny lahatsa ro iaviana agn'andolagna
OZ16
275.
Ny adalan'olona ihomehezana fa ny adalan'ny tena tafian-damba
OZ16
276.
Adala nomen-tanan'ondry ka na soloina hofany aza tsy mety
OZ16
277.
Ny erikerika ro mahatondra-drano
OZ16
278.
Ny mijekijeky ro avy lavitsa
OZ16
279.
Ny anjara tsa mba miolaka
OZ16
280.
Aza atao fihavanam-bato fa raha tapaka tsy azo atohy intsony
OZ16
281.
Ny fanambadiana lamban'akoho ka faty no isarahana
OZ16
282.
Tsy midera vady mahay mandihy fa ao ny sandriny hilaza azy
OZ16
283.
Manary vady tanora ka manome zara ny hafa
OZ16
284.
Mihena an-toerana toy ny fen'antitra
OZ16
285.
Gny vorom-potsy tsy lavits'agnomby
OZ16
286.
Ny valala tsy azo raha tsy andriana ilika
OZ16
287.
Mpiandry omby volavita tsy tompony fa mpamerin-doha
OZ16
288.
Ny hendry no anarina, ny mahalala no atoro
OZ16
289.
ny heloka ibabohana mody rariny
OZ16
290.
Manan-joky afaka olan-teny, manan-jandry afaka olan'entana
OZ16
291.
Gny nahalava moko gn'akanga dra gny mitao
OZ16
292.
Raha zanaka tsy hanaja ray aman-dreny, miteraha hahita
OZ16
293.
Ny kibo voky no vady manohana
OZ16
294.
Tsy ampy tsy lany toy ny sola vaohina
OZ16
295.
Raha maty aho, matesa rahavana, raha maty rahavana, matesa ny omby
OZ16
296.
Tsa mahalala ny poketra misy vola fa ny dangon-tsakay ro atao an-kelika
OZ16
297.
Ny tsa tea ro miedika
OZ16
298.
Ny ômby hena, ny vola taratasy, ny tanimbary fotaka fa ny ona ro ona
OZ16
299.
Adin'ombalahin'ny mpianakavy ka izay mandresy tsy hobiana ary izay resy tsy akoraina
OZ16
300.
Ny tanin'andriana aza onenana ka ny satany ve no tsy harahina
OZ16
Voalohany
Mialoha
8
9
10
11
12
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0419