Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ny
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ny
Hampiditra ohabolana
361.
Izay manenjika ny osa mbola henjehin'ny mahery
jock
362.
Aza manao masoandro avy any atsinanana : ny avo ihany no taingenana ; fa manaova masoandro avy andrefana : izay mivoha idirana avokoa
jock
363.
"Miaka-midina toy vodim-panjaitra ny fianana."
aer0jhony
364.
"Matikambo ôtran'ny gisa tratra mangala-ketsa, ka izy mangalatra ndray no avo vava."
aer0jhony
365.
"Mitady sitrany ôtrany totozy terekanina nefa nasitriny."
aer0jhony
366.
"Kobobo voafandrika,ka ny mitsilailay no azoana aina."
aer0jhony
367.
"Samy manana ny fiainana,ka aza mialina ny vitako fa manaova mba ho itako."
aer0jhony
368.
"Aza manenjika ahy ry fahavaloko,fa na lavo aza ahy mbola iarina ihany."
aer0jhony
369.
Fotsy volo tsy mahay mikabary ka mipetraka atsangan'ny olona, mitsangana apetraky ny olona.
raonimanana
370.
Ny fo miray no mandresy ny sakana.
aer0jhony
371.
Mifanaratsy apitoerana, oatrany boka mitanin'andro
aer0jhony
372.
Ny fanambadiana toy ny toko-kena,raha tsy sendran'ny trafony dia sendran'ny taolany
Janesraj11
373.
Aza manao ratsy,fa ny tsara dia manamarina ny tena
hasina45niaina
374.
Aza miandry ny zaza mihoso-tay vao hihazakazaka hividy taty
lehsabotsy
375.
Ny soa tsy ambara havana, atambo miditra ny trano
lehsabotsy
376.
Tolona am-batolampy ny fiainana ka izay tsy mitandrina vaky loha.
Ligo
377.
Aza atao fihavanan'alika ka isaky ny mifankahita dia mifanasavangy.
Ligo
378.
Be hambo toa rambon'osy ny lanitra tsy ianjeran no tohanana nefa ny vody lanin'ny moka tsy hita.
Ligo
379.
Afo ny fitiavana ka tsy azo sangiana
ranjalahygedeon1
380.
Boka homan-kitoza, faly am-pihinanana fa ny manala kaka nom raharaha
raksolom
381.
Tolona sy ady ny fiainana ka zara ho an´izay manam- paniriana handresy
tovorandria
382.
Tsy ny anjara no mamolavola ny olona fa ny olona no mamolavola ny anjarany
tovorandria
383.
Menaky nahosotry fory ka hetotry no avaliny azy!
anicetmartial
384.
Boka mita rano, toy ny fidoboka
jaotianah
385.
Ny Tondro tokana tsy mahazo hao
narijean8
386.
Ataovy fitia vita voady ka sahy misotro ny aleoko maty
jock
387.
Ny nantenain-tsy azo, ny antanam-botsitra.
Xmyie
388.
Saro-devonina sahala ny tsaramaso tsy tsara masaka, manahirana ny tompony ary koa manahirana ny mpiara-monina.
tsiroa
389.
Ny faniriana mety ho sahala, fa ny anjara tsy hitovy.
tsiroa
390.
rafotsibe hangery amoron-tevana,latsaka alohan'ny tainy
sakaiz
Voalohany
Mialoha
11
12
13
14
15
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0918