Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ny
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ny
Hampiditra ohabolana
361.
Ny tanin'andriana aza onenana ka ny satany ve no tsy harahina
OZ16
362.
Mpifankatia tsy miresaka, lany androantokom-pitiavana
OZ16
363.
Ny valala vôna agn'Isandra ko agnareo fa miady fagnendezana
OZ16
364.
Tsa metimety ny fo mpisy vary leky ny sonjo feno fatagna
OZ16
365.
Ny tarehy no ratsy ka ny volo no aolangolana
OZ16
366.
Mpamosavy miana-draharaha ka ny ao an-trano ihany no lanahana
OZ16
367.
Tambatambazina ny mpamosavy hamelomana anaka
OZ16
368.
Mijery fahoriana toy ny boka mitaratra
OZ16
369.
Mifanaratsy an-toerana toy ny bokan'i Leagna
OZ16
370.
Maimaika toy ny boka hanambady
OZ16
371.
Boka misaka foza, ny natao handoatra koa vao maika namatratra
OZ16
372.
Manasa vahiny tsy avy hihinagna, sady vôky no afaka adidy
OZ16
373.
Tonga dia vonona ohatra ny totohondrim-boka
OZ16
374.
Vahiny vôky, tsy iharagna angady
OZ16
375.
Aza mba toy ny akoho fahanana: izay anipazana hanina endrehina daholo
ginyellow8
376.
mpajono no tompon'ny trondro,fa ny anglisy no tompon'ny tafondro
heriy
377.
dedaka ohatra ny saka mangery tay totofona nefa, vody tsy voafitra
heriy
378.
Matavy miady, ny mamely tsemboka, ny asiana tsemboka
hery
379.
Toy ny trondro voajono ny mpifoka sigara.Mahita tsirony kely izy,nefa maty avy eo.
tiaviniainagasy
380.
Toy ny lel'afo be latsaka avy an-danitra ny fahatarana(@olona) ka sarotra vonoina nefa mampijaly
tiaviniainagasy
381.
Aleo maty olo-malaina toy izay vaky vilany mianefitra
landryjery
382.
Andevo lahy mangery anjezika,fahavaratra aza miloloha ny tainy
Damihar'sS
383.
Tsy mahalala ny tata-body ka mifitra amin'ny antsy maranitra !
Kdaombaramita
384.
"Andrakandrana no nampihinan~tay ny kisoa"
Shcwarzeneric
385.
"Manalasala toin'ny mamely renin'kisoa, hitsanganana iva loatra, andoalihana avo loatra"
Shcwarzeneric
386.
Lanonana ity fa ny amboa no ambeno
raz_sylvio
387.
Aza sarotiavina tahaka ny pô ka amanizana vao velon-kira
Rafanomezantsoaa
388.
"tano ny hazo fa sarotra ny mila"
herivola35
389.
Hoy ny Ntaolo hoe "Aza manantena hery fa ny lahatra tsy azo rombahina"
Razakasoa-joda
390.
NY VOLA FITADY,NY AINA FANARY
Damihar'sS
Voalohany
Mialoha
11
12
13
14
15
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0407