Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ny
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ny
Hampiditra ohabolana
391.
Teny zato;kabary arivo fa tokana ihany no marina
Nofy Ny Fitia
392.
Akoho kely miambozona tady mahazaka ka mitondra ny tsy heran'ny aina.
Kdaombaramita
393.
Kely be raharaha toa fangaraka ka ny trano atao, ny feta taomina, ny farara tsofina
Nofy Ny Fitia
394.
Bevata fahatany ohatra ny voatavo antay
1406
395.
Mba ho tahaka ny rano sy vary ka an-tsaha tsy mifanary, an-tanànana tsy mifandaho.
0000
396.
Aza manasakaiza vahiny
sylvianna
397.
Aza mitaitay toy ny fitia tsy ho ela.
sylvianna
398.
Ataovy fitia voampo:mbola lavitra ihany dia ampoizina.
sylvianna
399.
Mandreran-tena otran'ny alika manenjika môto
Rafalimanantsoa
400.
"Banga mihinan-kitoza, tsiro no notadiavina kanjo ny hivy no raraka".
ragotso
401.
Aza atao fitia rora-paraky,Tiana ihany ka tsy hatelina.
falinafs
402.
Aza atao toy ny fihavanam-bato ny fihavanana,fa ataovy toy fihavanan-kazo,ka raha tapaka ary azo hatoy.
falinafs
403.
''Ny fiainana toy ny kodiaran-tsarety miodina dia miverina''
Joda400
404.
Tsy ambony tsy ambany ohatran'ny lohalik'alika
kels
405.
Omby lahy nanonto vatolampy ka bory tandroka amin'ny adalany
kels
406.
Tsa ny amalogna ho haza fa ny tagnana mifandray.
SYLLA8
407.
Tanindrazan'ilay jamba , ka izay diavin'ny tongotra tanindrazana avokoa
eulalie15
408.
Nahoana no mihazakazaka tratry ny miadana
nestorktv
409.
Ombilahy tsara feo, ka ny vavany no mahalafo azy
nestorktv
410.
Fon'i zalahy atakalo ny fon'i zavavy
rabesao
411.
Tsy mitsinjo ny farany ohatra ny andevo mahita fotsim-bary
todisoaerickbruno9
412.
"Manaratsy tena otrany omby latsika."
aer0jhony
413.
"Tsy ambony tsy ambany otrany loalik'alika."
aer0jhony
414.
Boka mangala-boatavo dia miandry ny tompony hanatatao.
Tokymnp
415.
Banga mifanoroka, ka fotodela no farany
mthzah
416.
Aza mba matin-kenamaso ohatry ny sola mandrafozana, na marary aza ny loha ny vilany tsy maintsy lolohavina
aer0jhony
417.
Ny hery tsy mahaleo ny fanahy.
0330417255
418.
Miankanjo vahoaka raha lohataona fa mihanja-pasika fahavaratra ohatra ny moron-dranomasin' Amborovy
hery
419.
aza manao toy ny boloky lahy homam-boatseva,ka mamy ny atsy sady fy ny eroa
dombay
420.
Ny mihomehy lavo aza misy todiny maika fa ny mitsambiki-mikipy
jock
Voalohany
Mialoha
12
13
14
15
16
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1553