Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ny
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ny
Hampiditra ohabolana
331.
Ny mananasy no boka mitaingin-tseza; fa ny olona boka kosa tsy mba hahazo seza.
aivetinakely
332.
Tsim-pary amin'ny kolony, tsy ho lany hamamy.
IsraelCatz
333.
Aza malahelo voalavo maty fa mbola be ny any an-tsaha
OZ16
334.
Aza manontany basy amin'ny Anglisy
OZ16
335.
Ny sakafo masaka tsa mba manan-tompo
OZ16
336.
Tsa misy rano tsa te ho agn'andreagna fa ny lahatsa ro iaviana agn'andolagna
OZ16
337.
Ny adalan'olona ihomehezana fa ny adalan'ny tena tafian-damba
OZ16
338.
Adala nomen-tanan'ondry ka na soloina hofany aza tsy mety
OZ16
339.
Ny erikerika ro mahatondra-drano
OZ16
340.
Ny mijekijeky ro avy lavitsa
OZ16
341.
Ny anjara tsa mba miolaka
OZ16
342.
Aza atao fihavanam-bato fa raha tapaka tsy azo atohy intsony
OZ16
343.
Ny fanambadiana lamban'akoho ka faty no isarahana
OZ16
344.
Tsy midera vady mahay mandihy fa ao ny sandriny hilaza azy
OZ16
345.
Manary vady tanora ka manome zara ny hafa
OZ16
346.
Mihena an-toerana toy ny fen'antitra
OZ16
347.
Gny vorom-potsy tsy lavits'agnomby
OZ16
348.
Ny valala tsy azo raha tsy andriana ilika
OZ16
349.
Ny hendry no anarina, ny mahalala no atoro
OZ16
350.
ny heloka ibabohana mody rariny
OZ16
351.
Manan-joky afaka olan-teny, manan-jandry afaka olan'entana
OZ16
352.
Gny nahalava moko gn'akanga dra gny mitao
OZ16
353.
Raha zanaka tsy hanaja ray aman-dreny, miteraha hahita
OZ16
354.
Ny kibo voky no vady manohana
OZ16
355.
Tsy ampy tsy lany toy ny sola vaohina
OZ16
356.
Raha maty aho, matesa rahavana, raha maty rahavana, matesa ny omby
OZ16
357.
Tsa mahalala ny poketra misy vola fa ny dangon-tsakay ro atao an-kelika
OZ16
358.
Ny tsa tea ro miedika
OZ16
359.
Ny ômby hena, ny vola taratasy, ny tanimbary fotaka fa ny ona ro ona
OZ16
360.
Adin'ombalahin'ny mpianakavy ka izay mandresy tsy hobiana ary izay resy tsy akoraina
OZ16
Voalohany
Mialoha
10
11
12
13
14
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0288