Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Anà
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Anà
Hampiditra ohabolana
301.
Mpifankatia mifanao ratsy ka izay mahavita be manenina
delemezy1
302.
Aza mba matin-kenamaso ohatry ny sola mandrafozana, na marary aza ny loha ny vilany tsy maintsy lolohavina
aer0jhony
303.
aleo very solonify toy izay very solomaso,aleo very vady toy izay very zanaka
Hasnfan
304.
Ny hery tsy mahaleo ny fanahy.
0330417255
305.
aza manao toy ny boloky lahy homam-boatseva,ka mamy ny atsy sady fy ny eroa
dombay
306.
Raha hizara ihany, fitiavana zaraina ; raha hitondra ody ihany, fitiavana lanjaina ; raha amokatra ihany, fitiavana vokarina ; raha hikendry ny soa, ny fitiavana kendrena
jock
307.
Aza manao masoandro avy any atsinanana : ny avo ihany no taingenana ; fa manaova masoandro avy andrefana : izay mivoha idirana avokoa
jock
308.
"Miaka-midina toy vodim-panjaitra ny fianana."
aer0jhony
309.
"Kobobo voafandrika,ka ny mitsilailay no azoana aina."
aer0jhony
310.
"Samy manana ny fiainana,ka aza mialina ny vitako fa manaova mba ho itako."
aer0jhony
311.
Fotsy volo tsy mahay mikabary ka mipetraka atsangan'ny olona, mitsangana apetraky ny olona.
raonimanana
312.
Ny fo miray no mandresy ny sakana.
aer0jhony
313.
Mifanaratsy apitoerana, oatrany boka mitanin'andro
aer0jhony
314.
Ny fanambadiana toy ny toko-kena,raha tsy sendran'ny trafony dia sendran'ny taolany
Janesraj11
315.
Aza manao ratsy,fa ny tsara dia manamarina ny tena
hasina45niaina
316.
Ny soa tsy ambara havana, atambo miditra ny trano
lehsabotsy
317.
Tolona am-batolampy ny fiainana ka izay tsy mitandrina vaky loha.
Ligo
318.
Aza atao fihavanan'alika ka isaky ny mifankahita dia mifanasavangy.
Ligo
319.
Be hambo toa rambon'osy ny lanitra tsy ianjeran no tohanana nefa ny vody lanin'ny moka tsy hita.
Ligo
320.
Afo ny fitiavana ka tsy azo sangiana
ranjalahygedeon1
321.
Boka homan-kitoza, faly am-pihinanana fa ny manala kaka nom raharaha
raksolom
322.
Tolona sy ady ny fiainana ka zara ho an´izay manam- paniriana handresy
tovorandria
323.
Be hambo tahaka ilay jamba ka milaza fa mahita kitana mitatao vovona
NYAMI
324.
Ny Tondro tokana tsy mahazo hao
narijean8
325.
Tro-bontsy tsy añarian-kane, heloke ho afake tsy añariambaly
Momake
326.
Fiaboa ty raha soa, fañabokà ty raha raty.
Momake
327.
Ny nantenain-tsy azo, ny antanam-botsitra.
Xmyie
328.
Saro-devonina sahala ny tsaramaso tsy tsara masaka, manahirana ny tompony ary koa manahirana ny mpiara-monina.
tsiroa
329.
Ny faniriana mety ho sahala, fa ny anjara tsy hitovy.
tsiroa
330.
rafotsibe hangery amoron-tevana,latsaka alohan'ny tainy
sakaiz
Voalohany
Mialoha
9
10
11
12
13
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0203