Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Anà
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Anà
Hampiditra ohabolana
211.
Toko tapaka,vilany mitongilana;izay tsy mety arenina.
Topher
212.
manakarena mahihatra tsy ampy tsoka ka maty alohan`ny ombiny
luc1407fanomezana2
213.
Fivoriana alika ka horokoro-body no betsaka
luc1407fanomezana2
214.
ny saka sy ny alika miady ka miady hatramin'ny adala , mpvady miady ko ny zaza ao an trano no darohana
2016
215.
Homana, manajaria
ramandimbisoalc16
216.
Te hoderaina ohatra ny saka ka rora no anasana tava
hanta2
217.
Ny fandrantoana fahendrena dia tahaka ny fikororohana vary amin'ny fararano, ka izay mahay manavaka ny tsiparifary amin'ny vary no hahazo be.
Seranary
218.
Manary vady tanora , manome ny tsy manana
aivetinakely
219.
Ny teny toy ny kitoza, tsakona ahitana fy
anja90
220.
Ny mananasy no boka mitaingin-tseza; fa ny olona boka kosa tsy mba hahazo seza.
aivetinakely
221.
Ny sakafo masaka tsa mba manan-tompo
OZ16
222.
voalohan'atody ka soritana arina
OZ16
223.
Tsa misy rano tsa te ho agn'andreagna fa ny lahatsa ro iaviana agn'andolagna
OZ16
224.
Ny adalan'olona ihomehezana fa ny adalan'ny tena tafian-damba
OZ16
225.
Adala nomen-tanan'ondry ka na soloina hofany aza tsy mety
OZ16
226.
Aza atao fihavanam-bato fa raha tapaka tsy azo atohy intsony
OZ16
227.
Ny fanambadiana lamban'akoho ka faty no isarahana
OZ16
228.
Manary vady tanora ka manome zara ny hafa
OZ16
229.
Mihena an-toerana toy ny fen'antitra
OZ16
230.
Rafotsibe leom-boananana ka tsy te hahita zava-boribory mainty
OZ16
231.
Ny valala tsy azo raha tsy andriana ilika
OZ16
232.
Mitaiintaina toa sobakaka ambodiriana
OZ16
233.
Ny hendry no anarina, ny mahalala no atoro
OZ16
234.
ny heloka ibabohana mody rariny
OZ16
235.
Manan-joky afaka olan-teny, manan-jandry afaka olan'entana
OZ16
236.
Raha zanaka tsy hanaja ray aman-dreny, miteraha hahita
OZ16
237.
Ny kibo voky no vady manohana
OZ16
238.
Raha maty aho, matesa rahavana, raha maty rahavana, matesa ny omby
OZ16
239.
Akoholahy mikohokoho vavy, tsy hanin-kahavoky fa voninahitra ifanomezana
OZ16
240.
Adin'ombalahin'ny mpianakavy ka izay mandresy tsy hobiana ary izay resy tsy akoraina
OZ16
Voalohany
Mialoha
6
7
8
9
10
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0193