Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Anà
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Anà
Hampiditra ohabolana
211.
Ny fandrantoana fahendrena dia tahaka ny fikororohana vary amin'ny fararano, ka izay mahay manavaka ny tsiparifary amin'ny vary no hahazo be.
Seranary
212.
Manary vady tanora , manome ny tsy manana
aivetinakely
213.
Ny teny toy ny kitoza, tsakona ahitana fy
anja90
214.
Ny mananasy no boka mitaingin-tseza; fa ny olona boka kosa tsy mba hahazo seza.
aivetinakely
215.
Ny sakafo masaka tsa mba manan-tompo
OZ16
216.
voalohan'atody ka soritana arina
OZ16
217.
Tsa misy rano tsa te ho agn'andreagna fa ny lahatsa ro iaviana agn'andolagna
OZ16
218.
Ny adalan'olona ihomehezana fa ny adalan'ny tena tafian-damba
OZ16
219.
Adala nomen-tanan'ondry ka na soloina hofany aza tsy mety
OZ16
220.
Aza atao fihavanam-bato fa raha tapaka tsy azo atohy intsony
OZ16
221.
Ny fanambadiana lamban'akoho ka faty no isarahana
OZ16
222.
Manary vady tanora ka manome zara ny hafa
OZ16
223.
Mihena an-toerana toy ny fen'antitra
OZ16
224.
Rafotsibe leom-boananana ka tsy te hahita zava-boribory mainty
OZ16
225.
Ny valala tsy azo raha tsy andriana ilika
OZ16
226.
Mitaiintaina toa sobakaka ambodiriana
OZ16
227.
Ny hendry no anarina, ny mahalala no atoro
OZ16
228.
ny heloka ibabohana mody rariny
OZ16
229.
Manan-joky afaka olan-teny, manan-jandry afaka olan'entana
OZ16
230.
Raha zanaka tsy hanaja ray aman-dreny, miteraha hahita
OZ16
231.
Ny kibo voky no vady manohana
OZ16
232.
Raha maty aho, matesa rahavana, raha maty rahavana, matesa ny omby
OZ16
233.
Akoholahy mikohokoho vavy, tsy hanin-kahavoky fa voninahitra ifanomezana
OZ16
234.
Adin'ombalahin'ny mpianakavy ka izay mandresy tsy hobiana ary izay resy tsy akoraina
OZ16
235.
Ny tanin'andriana aza onenana ka ny satany ve no tsy harahina
OZ16
236.
Mpifankatia tsy miresaka, lany androantokom-pitiavana
OZ16
237.
Aza manao fira hazo am-pihaviana
OZ16
238.
Foto-kazo sy vorona ka izay tia manatona
OZ16
239.
Tsa misy raha te ho anao fa agnao ro te hanagn'azy
OZ16
240.
Valala iray aza ifanapahana
OZ16
Voalohany
Mialoha
6
7
8
9
10
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0437