Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Anà
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Anà
Hampiditra ohabolana
121.
Manao fisotro labiera na be kibo any ka mandroatra atraminy tay
Mofono.vy
122.
Ny fahavoazana dia mahafaoka henatra
rado_albert
123.
Torabato avy any andanitra ny fahafatesana , ka tsy fantatra izay ho latsahany.
Benjamadagasikara
124.
Aza manao tohiny Hao andoha,loloavina nefa manaikitra
Benjamadagasikara
125.
Ny tselatra atosiky ny varatra, ny orana atosiky ny rahona,fa ny olona atosikiny fitiavana.
Benjamadagasikara
126.
Aza manao lalitra tsy ho vorona,fa ny kely ihany no ho lasa lehibe
gerardjapon2
127.
Ny mpanao pôlitika hono tahaka ny hao, izy lolohavina indray no manaikitra
rhtiana
128.
Ny anaran-dray tsa afify
Tafs
129.
"Ny tarana-by tsa mba mandavenona
Tafs
130.
Aza malahelo vaky vilany fa manakaiky an ' Ampanataovana
phales
131.
Mahita volana alohan-dRabiby.
phales
132.
aleo mifanalavitra mifamono akoho toy izay mifanakaiky mifamono aliaka
ratefihajaina
133.
Na dia tiako aza ny trandraka fa zaho tsy hibaby zana-kiva
fidah241
134.
Manalasala tahakin'ny vady lava nify, atao eo aoriana, ohatran'ny hanaikitra, atao aloha, sahala ny mitsiky amin'ny mpandalo
lova6
135.
Aza manao fahanteran'alika ka antitra vao miha-gaigy.
Ny_Arlinah
136.
Aza mora kivy fa dian-tana ny fiainana ka miroso tsikelikely.
Ny_Arlinah
137.
Mandrimandry manana aretina tahaka ny didy maso tsara ondana.
Ny_Arlinah
138.
Arahabao izay hita fa tsy fantatra izay ho rafozana.
Ny_Arlinah
139.
Jamba mangery amoron-tevana ka latsaka alohan'ny tainy.
Ny_Arlinah
140.
Raha tiana ny vady,ny rafozana no tsinjovi-mandeha.
Ny_Arlinah
141.
Aza faly ny hanambany fa ny hainao tsy ho vitako,ary ny vitako tsy ho hainao.
Ny_Arlinah
142.
Aza mahidy imason-tsipa, fa ny vola fitady ary ny aina fanary..
Ny_Arlinah
143.
Ny aina Ramangatahiana, fa ny vola Ramangatadiavina.
Ny_Arlinah
144.
Zanaky ny efa mangotraka,tsy matahotry ny hangorovitsika.
Ny_Arlinah
145.
Tsy misy ny kamo ambinina,fa ny hatsembohan'ny tavanao ihany no ihinanan'ny vavanao.
Ny_Arlinah
146.
Izay manan-tsira,mahay mahandro.
Ny_Arlinah
147.
Aza ny fahantrako no jerena,fa ny toe-tsaina hananako.
Ny_Arlinah
148.
Ny ory tsy havan'ny manana..
Ny_Arlinah
149.
Kodiaran-tsarety ny fianana; ny ambony mbola ho lasa ambany ary ny ambany mbola ho lasa ambony.
Ny_Arlinah
150.
Aza manao Andriamanitra tsy misy ka mitsambiky mikipy
JAMESTIGA
Voalohany
Mialoha
3
4
5
6
7
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0194