Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Anà
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Anà
Hampiditra ohabolana
181.
Manao azy ho toy ilay vinanto mahay mandrafitra,ka mitondra hazo mivilana avy any an'ala.
gui.razafindrazaka
182.
Kapila hinanana tsy hangerezana
damy002
183.
Maimaika toy ny boka hanambady ka ny tanana hasiam-peratra aza tsy misy.
ramandimby.ceres1
184.
Fadio ny manao fatin-dalitra, ka maty mitety ny ratsy; fa manaova fatin-tantely, ka maty mamela mamy ho an'ny rehetra.
randriajj
185.
Mazoto kamo velona sahala amin'ny akoholahy, mba mifoha maraim-be ihany fa mijanona eo amorom-patana.
randriajj
186.
Tsimbotry niaraka ihany ka adrisa indray vô hifanary?
Ndriamanagna
187.
Matoa magneno misy raha mankarary , matoa mangina misy raha maha mahana .
uneféelanableurose
188.
Ny fitiavana toy ny afo,mandoro raha kasihana,ary manafana raha sendra andro mangatsika
Haraldtohaina
189.
Fizaran-kena maty jiro, vintana sisa no andrasana.
Lahimatoa
190.
Noana manontany lera, voky manontany ondana.
Lahimatoa
191.
Tiako ny tenako,fa ianao mbola tiako lavitra
henintsoa28
192.
Mandry aloha tsy mirirana.
Lyla's
193.
"tsy misy olona tsy misy aingam- panahy fa misy olona biby"
rafenomanantsoasantatra
194.
Aza manana fitiavana vita sinoa.
Topher
195.
Ny làlam-be no tsy asian-dratsy, ny hiverenana
omegahuguette
196.
VITA HO AZY TAHAKA NY KARATR'I NAIVO;IZY NANDOA VOLA ,NY FANJAKANA KOA TSY MITAKY
SYLLA8
197.
Raha razana tsy hitahy mifohaza iady vomanga
aer0jhony
198.
Aza miady vitana amin'ny akoho.
Topher
199.
Ny katsaka no manao baby telo, ny tany aniriany no lonaka
haj.hery
200.
Aza atao toy ny fihavanam-bato , fa raha tapaka tsy azo hatoy
hasinasamael2016
201.
Toko tapaka,vilany mitongilana;izay tsy mety arenina.
Topher
202.
manakarena mahihatra tsy ampy tsoka ka maty alohan`ny ombiny
luc1407fanomezana2
203.
Fivoriana alika ka horokoro-body no betsaka
luc1407fanomezana2
204.
ny saka sy ny alika miady ka miady hatramin'ny adala , mpvady miady ko ny zaza ao an trano no darohana
2016
205.
Homana, manajaria
ramandimbisoalc16
206.
Te hoderaina ohatra ny saka ka rora no anasana tava
hanta2
207.
Ny fandrantoana fahendrena dia tahaka ny fikororohana vary amin'ny fararano, ka izay mahay manavaka ny tsiparifary amin'ny vary no hahazo be.
Seranary
208.
Manary vady tanora , manome ny tsy manana
aivetinakely
209.
Ny teny toy ny kitoza, tsakona ahitana fy
anja90
210.
Ny mananasy no boka mitaingin-tseza; fa ny olona boka kosa tsy mba hahazo seza.
aivetinakely
Voalohany
Mialoha
5
6
7
8
9
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0281