Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Anà
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Anà
Hampiditra ohabolana
271.
Hoy ny Ntaolo hoe "Aza manantena hery fa ny lahatra tsy azo rombahina"
Razakasoa-joda
272.
Hovalahy maty zanaka,ka sira no hamoizana azy
Jemmy
273.
Tody mbola ho ela ve no tsy hanaovan-dratsy?
aina no fetra
274.
NY VOLA FITADY,NY AINA FANARY
Damihar'sS
275.
Teny zato;kabary arivo fa tokana ihany no marina
Nofy Ny Fitia
276.
Toerana nahavokisana tsihy hitoerana ela
madacarsservice
277.
Atao fitiavana trondro sady ompiana no akana taranaka
1406
278.
Mba ho tahaka ny rano sy vary ka an-tsaha tsy mifanary, an-tanànana tsy mifandaho.
0000
279.
Aza kely fisian-kavana loatra.
sylvianna
280.
Aza atao fihavanam-bato, ka raha tapaka, tsy azo atohy; fa ataovy fihavanan-dansy,ka raha madilana,azo tohizana.
sylvianna
281.
Aza manao fitia mifono avona.
sylvianna
282.
Aza manasakaiza vahiny
sylvianna
283.
Aza manao fihavana-molotra:tezitra vao mifanatona.
sylvianna
284.
Aza manao fitia rano trambo:be fihavy, ka mora lasa.
sylvianna
285.
Zafe magnana-draza: anara ndra mahilala, toroa ndra mahihitse
vorihery
286.
tsy ringitse ty be raza, tsy tsontsa ty managnila
vorihery
287.
"Fitia iray lainga ka aina no fetra; fitia lamban'akoho ka faty no hisarahana".
ragotso
288.
mandry aloha tsy mirirana
ranicks
289.
Aza atao fitia rora-paraky,Tiana ihany ka tsy hatelina.
falinafs
290.
Aza atao toy ny fihavanam-bato ny fihavanana,fa ataovy toy fihavanan-kazo,ka raha tapaka ary azo hatoy.
falinafs
291.
''Ny fiainana toy ny kodiaran-tsarety miodina dia miverina''
Joda400
292.
Raha zanaka tsy laitra hanarina, miteraha haita
kels
293.
zaodahy tsy mba havana
SYLLA8
294.
Tsa ny amalogna ho haza fa ny tagnana mifandray.
SYLLA8
295.
Tanindrazan'ilay jamba , ka izay diavin'ny tongotra tanindrazana avokoa
eulalie15
296.
Nahoana no mihazakazaka tratry ny miadana
nestorktv
297.
Bevohoka ratsian-kena ka manaikitra omby am-pitsanganana
rabesao
298.
"Manaratsy tena otrany omby latsika."
aer0jhony
299.
Boka mangala-boatavo dia miandry ny tompony hanatatao.
Tokymnp
300.
mampisalasala tahaka n vozon'akoho;hanina taolan,hariana hena.
SYLLA8
Voalohany
Mialoha
8
9
10
11
12
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0605