Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Tana
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Tana
Hampiditra ohabolana
301.
Ataovy fihavanam-bava sy tanana : raha marary ny tanana mitsoka ny vava, raha marary ny vava misafo ny tanana.
lanto
302.
Tolo-kena maty jiro, ka vintana no andrasana.
lanto
303.
Ny faniriana tsy takatry ny vintana.
lanto
304.
Tsy nisy nivavaka niankandrefana, fa samy nianavaratra ihany; ny harena mila vintana ka raha tsy anjara, tsy tonga.
lanto
305.
Vitsika nahazo valala, tonga ny entana fa ny vava no tsy omby
hery
306.
Tsy misy hianteherana toa bozaka; tanora, sakafon'ny omby; antitra, sakafom-patana
hery
Voalohany
Mialoha
9
10
11
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0602