Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Tana
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Tana
Hampiditra ohabolana
241.
valala tsy an-tanana tsy atolo-jaza
zouzou
242.
Ny nantenaina tsy azo ny an-tanana votsotra.
hery
243.
adala nomen-tanan'ondry: na hosoloina hofany aza tsy mety.
ftma
244.
Vitsika nahazo valala, tonga ny entana fa ny vava no tsy omby
mandrindra
245.
raha misy maka ny entanao homeo azy koa ny lambanao
doum
246.
raha mitovy ihany ve dia hihampitana tendrom-bohitra
doum
247.
mitsipa-doha laka-nitana
doum
248.
may ny vomanga nasesiky ny tanany
doum
249.
Kenda ny akondro nasesiky ny tanany
doum
250.
maso solon'ny maso, nify solon'ny nify, tanana solon'ny tanana...
doum
251.
Aza miady vitana @akoho fa raha makeny antsena izy lolohavina
doum
252.
Jamba mifampitantana ka any akady no hiafarany
doum
253.
Mpitari-bato vilam-bava hafa ny tondroin'ny tanany hafa ny tondroin'ny vavany
doum
254.
Izay ataon'ny tananao havia aza atao fantan'ny tananao havanana
doum
255.
Tanana efa zatra nitsotra tsy mety mivokona intsony
doum
256.
Tsy ny namanao no hifaninanao fa ny tsara vitanao anio
doum
257.
Manaova toy ny vava sy tanana ka raha maharary ny tanana mitsoka ny vava raha maharary ny vava misafo ny tanana
doum
258.
Vary sy rano ka atsaha tsy mifanary, an-tanana tsy mifandao
doum
259.
Tana-kavia sy havanana ka izay tsy maharary manafosafo
doum
260.
Ramaka nandalo nytana-may
doum
261.
Ramaka nandalo ny tana-may
doum
262.
Aza mitarain-tana-miepaka
jentilisa
263.
ny tarehy an-dRahiratra, fa ny vintana an-dRatsitamoraina.
jentilisa
264.
Fatra-pandefitra toy ny mpivaro-tantely, ny tompony indray no milela-tanana
jentilisa
265.
Varotra amponga an-tanana; sady mahare ny feony no mahalany ny vidiny.
jentilisa
266.
Nofon-kena an-tanan-tsaka: lasa tsy miverina intsony.
jentilisa
267.
mpanankarena tsy mihinana: tsy tompony fa mpitahiry entana.
jentilisa
268.
mpanankarena mahihitra: tsy tompony fa mpiandry entana
jentilisa
269.
Borizanon'Ivakiniadiana, ny tonga ihany no matin'entana.
jentilisa
270.
tsy takona afenina toy ny tafika andrefan-tanĂ na
jentilisa
Voalohany
Mialoha
7
8
9
10
11
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0396