Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe raha
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
raha
Hampiditra ohabolana
331.
Raharaha tokony atao anio aza hiandrasana rahampitso
niryna
332.
Sitraka enti-matory, valiana raha mahatsiahy.
niryna
333.
Ny fahendrena ve ? Minia mitsiky raha mitomany.
niryna
334.
Ny trano nahavokisana tsy hipetrahana ela
niryna
335.
Zanaka tokana an-trano ka raha tsy maty voky, maty noana
niryna
336.
Raha miady izaho sy ny azy, tsy aleon'ny naterany
niryna
337.
Raha lasa ny mamba, misisika ny voaay
niryna
338.
Raha tsy mandeha mialoha hianao dia ho tratry ny ao aoriana
niryna
339.
Raha lasa ny saka, mandihy ny voalavo
niryna
340.
Ny fitia toy ny ketsa ka raha maniry mora hafindra
niryna
341.
antitra tsy miraharaha fiainana.miandradra any rafahafatesana ho aingana
orlando405
342.
Mandihizy rahitsikitsika hianaranay raha fararano
niryna
343.
Raha tsy nahomby ny voalohany, tohizo indray ny fanandramana faharoa.
niryna
344.
Raha tsy mandroso izy dia izy ihany no tavela eo.
niryna
345.
Raha misy ny setroka, misy ny hay trano.Tsy tonga ny ady raha tsy tonga ny mpitati-bolana
niryna
346.
Aza mandrava raha tsy mahafantatra ny famerenana azy
niryna
347.
Tsy hanan-karena mihitsy hianao raha ny hanisa ny volan'ny hafa eo.
niryna
348.
Raha hihomehy hianao dia hiara-hihomehy aminao ny rehetra, raha mitomany hianao dia hianao irery ho hiaran'izany
niryna
349.
Hazavao amin'ny jironao androany ny fiainanao rahampitso
niryna
350.
Mety ho diso fanantenana raha tsy nahomby saingy voa mafy kosa raha tsy nanao ezaka
niryna
351.
Raha hianareo no nisihoka voromanga fa raha izahay no misihoka vorondolo
niryna
352.
Hitsikitsika tsy mandihindihy foana fa ao raha
niryna
353.
Raha miady izay sy ny azy, tsy ahaleo ny naterany
niryna
354.
Aza atao fitiavam-bato, raha tapaka tsy azo atohy
niryna
355.
Ny fisaorana dia sitraka enti-matory, valiana raha mahatsiaro
niryna
356.
Ny fisaorana dia sitraka enti-matory, valiana raha mahatsiahy
niryna
357.
Raha zanaka no tsy tia ray aman-dreny, miteraha mba ahita
niryna
358.
Raha zaza tsy tia ray aman-dreny, miteraha mba ahita
niryna
359.
Kilongalahy te handroso fahaizana, tsy maintsy mihafy raha te ho tafita.
ilanto
360.
Vazaha matim-basy, matin-draha nataony.
ilanto
Voalohany
Mialoha
10
11
12
13
14
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0184