Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe raha
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
raha
Hampiditra ohabolana
421.
Raha fanambadian-tsy ho vanona, aleo mody hamelon-jaza
latina
422.
Valala ela nanidinana folak'elatra: raha mahafoy ahy mba foiko
latina
423.
Iray trano fa tsy iray raharaha toa mpirafy
latina
424.
Ny varotra toy ny fanambadiana, ka raha tsy raikitra misaraka ihany.
latina
425.
fitia miara-maniry, ka raha lany ny anao dia lany koa ny ahy
latina
426.
Ny fitia toy ny ketsa, ka raha afindra dia maniry
latina
427.
Raha eken-dRabevoho aza, raha tsy eken-dRafara tsy tapaka.
latina
428.
tsy ny donak'afo no mahafana ny trano, fa ny mpivady mifanara-draharaha
latina
429.
Raha tanora tsy ho jejo dia aleo maty ho razana
latina
430.
Mpivady iray lainga ka faty no isarahana
latina
431.
anambadian-ko namana, iterahan-ko dimby
latina
432.
izay manao ratsy: raha tsy malazon'ny andro, mantsasaky ny alina.
latina
433.
aza mandoa lasiray raha voa famaky
latina
434.
Amberivatry an-tanimena: raha tsy tianao tian'ny landy
latina
435.
raha hendry loholona, dia hendry vahoaka
latina
436.
Raha adala loholona, dia adala vahoaka
latina
437.
aza manao hendry anatiny toa samoina, ka raha mivoaka afatotry ny sasany
latina
438.
raha ny kapoka no maha hendry, dia ny omby no hendry aloha
latina
439.
Ny valala misy rahate, ny mpilaza mahay koa
latina
440.
Ny hevitra dia toy ny ketsa: raha lava loatra, maningotr aina; ary raha fohy loatra, afatotry ny sasany
latina
441.
Raha mararin-teny, aza mitakarina
latina
442.
tsy mety raha manam-bady tsy miera, manan-dray tsy midinidinika
latina
443.
tsikovoka an-dobo: matavy tsy afahy, tsindrahaka an-tatatra, mahia tsy marary
latina
444.
Ny kibo toy ny aponga, ka raha henjanina maneno
latina
445.
totohondrim-boka: efa vita rahateo, fa ny hanainga nosisa
latina
446.
Manita-draharaha toy ny sima misika
latina
447.
Vato natora-mamba: ny notorahana tsy nipoitra, ny naotraka tsy niseho
latina
448.
Raha ambaka samy lela, avelao hikipaka
latina
449.
Tsingala sy dinta: raha miray trano loza, ary raha mifanaikitra, atambo.
latina
450.
Tsy mba haikaika hifanaovana ity, fa tsontsori-mamba hisarahana
latina
Voalohany
Mialoha
13
14
15
16
17
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0191