Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe raha
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
raha
Hampiditra ohabolana
391.
Raha olona iray no tsy tia ahy, mitoto koba aho hatavy;raha ny be sy ny maro no tsy tia ahy, hisotro tsingala aho ho faty.
niryna
392.
Arahaba ririnina ka vita tsy natao.
aivetinakely
393.
Asa vadi-drano, tsy vita raha tsy ifanakonana.
aivetinakely
394.
Sambo-balala main'andro, ny tsy azoko androany, hoazoko rahampitso.
aivetinakely
395.
Raha tonga ny amalom-boasira, tsy manan-kavana afa-tsy ny maty.
aivetinakely
396.
Zaza tamà -miondan-tsandry ny anay ka mikohaka raha mionda-mololo.
aivetinakely
397.
Raha vazo mitovy, aza mita lohasaha.
aivetinakely
398.
Ny fanadinonao ny tarigetranao no vato misakana eo anolonao tsy ahatanterahanao azy.
niryna
399.
Tsisy mamy toy ny zanaka, fa raha manaiki-non akifika
ikalamako
400.
Tombon-dalana ny lasa, fa lalan-kiarahana ihany.
niryna
401.
Izay tsy miarahaba mpiteraka naman'ny mpamosavy
aivetinakely
402.
Mpirahalahy mizara hena manta, samy miady fo ny ho azy
aivetinakely
403.
Raha voatonona ny sola, mahimahina ny maza ray
aivetinakely
404.
Iray alahelo tahaka ny aty sy ny afero ka raha voadona ny aty maharary ny afero
aivetinakely
405.
Vilagny misarogna dekoa misy raha.
lanto
406.
Ny fitiavana toy ny lamban'akoho ka faty no hisarahana.
niryna
407.
Ny fitiavana toy ny lambamena ka faty no hisarahana.
niryna
408.
Hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha.
niryna
409.
Raha maty aho matesa rahavako
niryna
410.
Raha tiana ny vady, ny ravozana no tsinjovi-mandefitra
niryna
411.
Raha tiana ny vady, ny rafozana no tsinjovy manefitra
niryna
412.
Tsy mety raha miala maina toy ny mandevina amboa.
niryna
413.
Angady tokana;raha tapaka tsy misy hanakambanana azy indray.
niryna
414.
Adin'ny mpirahalahy ka izay mahavita be no manenina.
lanto
415.
Aza manao fihavanam-bato ka raha tapaka tsy azo atohy.
niryna
416.
Ny roa no tsara noho ny iray; raha lavo, misy mpanarina.
niryna
417.
Raha tiana ny vady, ny rafozana no tsinjovi-mandeha
Aotsara
418.
tsara raha naniry zaza ka tera-dahy
latina
419.
Bevohoka tsy mahalala andro, ka raha teraka izy, babena.
latina
420.
haronga-pohatra ny momba, ka raha lasa dia lasa tokoa
latina
Voalohany
Mialoha
12
13
14
15
16
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0185