Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe anao
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
anao
Hampiditra ohabolana
361.
aza manao tsinay homan'aty
latina
362.
aza manao sakaiza manody
latina
363.
aza manao fihavan-karena, ka tomany handratra ny sasany
latina
364.
aza manao fihavanan'amboa, ka taolana iray no hisarahana
latina
365.
Aza manao fitia paraky, ka hatreo am-bava no ho miakatra ihany.
latina
366.
Aza manao fihavana-molotra tezitra vao mifanantona
latina
367.
Aza manao fitia rano trambo: be fihavy, ka mora lasa.
latina
368.
Anao aho ka mora; fa raha an'olona aho dia sarotra.
latina
369.
izaho no lavo, niherika anao
latina
370.
aza manao solafaka andro mitsidika
latina
371.
Manaova soa ampiantany, fa misy hiankinana, ary manaova soa vato, fa misy hipetrahana.
latina
372.
Matoky ody voalavo va ianao no manao hena an-joron-damba?
latina
373.
Manao ondry tsy harena, ka misorona ondry boka
latina
374.
Manao ho akan'ny alina, ka misavily sandry maizim-bolana.
latina
375.
Ny mpamosavy aza mivoaka misasaka alina dia hita ihany, ka indrindra fa izay manao ratsy atoandro
latina
376.
Mpamosavy mandalo fasam-bao: zava-panao ka tsy aritra
latina
377.
aza faly am-panaovan-dratsy toa mpamosavy
latina
378.
manao zanaky ny mpisikidy ka tsy mba ho faty, na zanaky ny mpanefy ka tsy ho may.
latina
379.
aza manao vava azon'Andriamanitra
latina
380.
aza manao an'Andriamanitra azo am-po mandrakariva.
latina
381.
Aza zatra manao lalandririnina ka fahavaratra avy no manao hitsin-dalana
latina
382.
aza manao mpitari-bato vilam-bava, ny tondroin'ny molotra hafa, ny ataon'ny tanana hafa
latina
383.
Saka manao maloto ambony vatolampy, ny atao vita ihany fa ny hanotofana azy no tsy misy
ramix
384.
lany andro mifampidinika tahaka ny saka manao fitiavana
nalaina
385.
Volom-bary nomen'olo-do, hanao magnome anazy koa mbo mandisa
SENATERA
386.
Kabaron'ny Ranomafana(F/D), hanao to zaka koa an-dragno menjy
SENATERA
387.
manaotao foana toy ny jamba nanao lavaka
ndixa
388.
sasatry ny miaina ka eny am-baravaran'ny mpamosavy no manao sikidy
raniry
389.
manao fahanterana alika ka antitra vao mihagaigy
litakelinineny
390.
Mpanankarena mahihitra, ka manao Soavaly, voalavo
gotsolahy
Voalohany
Mialoha
11
12
13
14
15
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0307