Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe anao
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
anao
Hampiditra ohabolana
361.
aza manao fody lahy mena, sady mandraka no homana
latina
362.
Aza manao fierin-kanin-jaza: ny an-tanana, ariana, ny am-bava aloa.
latina
363.
Tsy mba haikaika hifanaovana ity, fa tsontsori-mamba hisarahana
latina
364.
aza manao kitapo hamelana lolompo, na hadivory hasiana ny fitaka.
latina
365.
aza manao toy ny tandindona, miaraka ihany, fa tsy azo ho namana
latina
366.
aza manao tsinay homan'aty
latina
367.
aza manao sakaiza manody
latina
368.
aza manao fihavan-karena, ka tomany handratra ny sasany
latina
369.
aza manao fihavanan'amboa, ka taolana iray no hisarahana
latina
370.
Aza manao fitia paraky, ka hatreo am-bava no ho miakatra ihany.
latina
371.
Aza manao fihavana-molotra tezitra vao mifanantona
latina
372.
Aza manao fitia rano trambo: be fihavy, ka mora lasa.
latina
373.
Anao aho ka mora; fa raha an'olona aho dia sarotra.
latina
374.
izaho no lavo, niherika anao
latina
375.
aza manao solafaka andro mitsidika
latina
376.
Manaova soa ampiantany, fa misy hiankinana, ary manaova soa vato, fa misy hipetrahana.
latina
377.
Matoky ody voalavo va ianao no manao hena an-joron-damba?
latina
378.
Manao ondry tsy harena, ka misorona ondry boka
latina
379.
Manao ho akan'ny alina, ka misavily sandry maizim-bolana.
latina
380.
Ny mpamosavy aza mivoaka misasaka alina dia hita ihany, ka indrindra fa izay manao ratsy atoandro
latina
381.
Mpamosavy mandalo fasam-bao: zava-panao ka tsy aritra
latina
382.
aza faly am-panaovan-dratsy toa mpamosavy
latina
383.
manao zanaky ny mpisikidy ka tsy mba ho faty, na zanaky ny mpanefy ka tsy ho may.
latina
384.
aza manao vava azon'Andriamanitra
latina
385.
aza manao an'Andriamanitra azo am-po mandrakariva.
latina
386.
Aza zatra manao lalandririnina ka fahavaratra avy no manao hitsin-dalana
latina
387.
aza manao mpitari-bato vilam-bava, ny tondroin'ny molotra hafa, ny ataon'ny tanana hafa
latina
388.
Saka manao maloto ambony vatolampy, ny atao vita ihany fa ny hanotofana azy no tsy misy
ramix
389.
lany andro mifampidinika tahaka ny saka manao fitiavana
nalaina
390.
Volom-bary nomen'olo-do, hanao magnome anazy koa mbo mandisa
SENATERA
Voalohany
Mialoha
11
12
13
14
15
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0219