Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Ilà
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Ilà
Hampiditra ohabolana
481.
Rafotsibe nisambo-balala, ny valala tsy azo, ny andilana tapaka.
robinhood
482.
Tsy nisy nanao soa ohatra ny vilany, fa ra vaky, natao fanotrehana akoho
Fanja1
483.
Toy ny saonjo iray lohasaha, ka tsy ilaozan'izay mamarara
Fanja1
484.
Ny an-tratra tsy lavo koa hoe antsoy koa rainilahibe
jentilisa
485.
Mpiasabe vonton'anatra, eny an-tsena avy no manao mbay ilalana
jentilisa
486.
Ny eritreritra raopilanina nefa ny aina sarety trobaka
Avahi
487.
Manao olona milakamilaka nefa ataon'olona milaka mihohoka
hanta77
488.
Ny heloka nilaozana tonga hitsiny, fa ny rariny itompoana tonga raiben-keloka.
lanto
489.
Saonjo iray lohasaha, tsy ilaozan'izay mamarara.
lanto
490.
Tsy nisy nanao soa ohatra ny vilany, fa raha vaky, natao fanotrehana akoho.
lanto
491.
Tsy nisy nivavaka niankandrefana, fa samy nianavaratra ihany; ny harena mila vintana ka raha tsy anjara, tsy tonga.
lanto
492.
Vilany be nandrahoan-kena tsy hilaozan' izay motimotiny ho diso
hery
493.
Ataovy fitia landihazo: ka ny madilana tentenana, ary ny màito tohizana.
hery
494.
Ny olombelona toy ny molo-bilany ka iray mihodidina ihany
lanto
495.
Aza ny tarehiko mavomavo no jerenao fa ny havako an-dilambato heverina
Fanja1
496.
Tahaka ny jiafotsy : vao tsy ilaozan-kasokasoka, rovitra tsy hilaozan-dromoromo
hery
Voalohany
Mialoha
15
16
17
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0192