Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe -bato
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
-bato
Hampiditra ohabolana
31.
Mitolona am-batolampy ka izay ratsy fihazona no vaky loha
latina
32.
aza manao mpitari-bato vilam-bava, ny tondroin'ny molotra hafa, ny ataon'ny tanana hafa
latina
33.
Sokina nanani-bato ka tapi-dàlak'aleha
FRanaivo
34.
aza manao fihavanam-bato ka raha tapaka tsy azo atohy
ramilo
35.
Aza atao fihavanam-bato, raha tapaka tsy azo atohy, fa ataovy fihavanan-dandy, raha tapaka azo tetenina
rajah
36.
Raha maratra ny tanana, mitsotsoka ny vava. Raha marary ny molotra, misafosafo ny tanana. Aza mitoto vary fohy loha. Aza manolo-bato mafana ny zaza. Mahery tsy maody hono tsy ho ela velona. Ataovy fisotro ranon'akoho, izay azo kely no andrandraina.
nanapiso
37.
Tolona am-batolampy ny fiainana ka izay manao tantsirambina no vaky loha.
ranjalia
38.
Mpitari-bato vilam-bava hafa ny tondroin'ny tanany hafa ny tondroin'ny vavany
doum
39.
very maina tahaka ny tantely nahoso-bato
jentilisa
40.
Very maina toy ny menaka nahoso-bato.
jentilisa
41.
rano tamim-bato, be ampizahana fa tsy azo andraofana
jentilisa
42.
Tsy misy manaha-bato aman-kazo fa manahaka ny olona nihaviany avy.
jentilisa
43.
Atody miady amim-bato
JMR
44.
Fanalolahy za-dririnina ka tsy miraika amin'izay tora-bato.
jentilisa
45.
Ovy haniry tsy tam-bato, zaza hanjary tsy tan-tsitsika
zanita
46.
Aza atao fihavanam -bato raha tapaka tsy azo atohy
zanita
47.
Aza manolo-bato mafana
JMR
48.
Aza atao fihavanam-bato ka raha tapaka tsy azo atohy, fa atovy fihavanan-dandy ka raha madilana azo tohizana
mandrindra
49.
Hanina anao no naleha, ka tora-bato no hita
hery
50.
Sakanam-bato, afa-kenatra.
jentilisa
51.
Aza manao soro-baton'ilay jamba efa voa vao mihilana
JMR
52.
Soro-baton'ilay jamba, voa vao mihilana
jentilisa
53.
mpitadi-bato tsy mihoraka very ny androatokon'aina. ary mifankatia tsy miresaka very ny androatokom-pitiavana
jentilisa
54.
mpitabi-bato vilam-bava, hafa ny tondroin'ny vava moa hafa ny tondroin'ny tanana
jentilisa
55.
Tapi-dalan-kaleha otran'ny sokina nanani-bato
sasa
56.
Tapi-dalan-kaleha toy ny sokina nanani-bato
vale
57.
Atody tsy miady amim-bato
vale
58.
Tsy misy Ray aman-dReny manolo-bato mafana ny zanany
vale
59.
Aza manao fihavanam-bato ka tapaka tsy azo atohy intsony.
jentilisa
60.
Tapi-dalana aleha ohatra ny soki-manani-bato.
lanto
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0178