Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Tano
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Tano
Hampiditra ohabolana
31.
Tsy misy hianterana toa bozaka : tanora sakafon ny omby; antitra sakafom patana
kanto1
32.
Ny tanora vato mandondona, ny antitra hazo amoron tevana, ka tsy hita izay hianjera aloha.
kanto1
33.
Tanora be sondrotr aina, ka ho faty alohan ny marary.
kanto1
34.
Sandry be tsy hery; fahatanorana tsy ody faty
kanto1
35.
Valalanamboa: tanora mitsipika, antitra mitsipika
kanto1
36.
Tanora mamboly hazo, misy hialofana rehefa lehibe
elyzo
37.
Rafozam-bavy tanora(sady manja), ka rehefa eo ny zanany neny no anarany, rehefa tsy eo kosa ny zanany manala sorisory.
sylvoalias
38.
Tsy misy tanora natao tsy hijihina, fa rehefa antitra miady lohalika
zanakantitra
39.
Tanora mamboly hazo ka hisy hipetra-petraha rahatrizay ka antitra.
niryna
40.
Rehefa antitra dia manoro fahendrena, rehefa tanora dia mandray ilay fahendrena.
niryna
41.
Tano mafy ny fananarana fa aza avela hiala.Hazony izy, fa ainao
niryna
42.
Tanora nilaozan-tsakaiza ka milalao vovoka irery
niryna
43.
Tanora tsy mi-bis tsy mi-bĂ , efa antitra vao mikapilakopĂ (mikopily kopy ah').
ilanto
44.
Tanora-vavy te hianatra, mizara mifehy tena.
ilanto
45.
Tanon'Antanananarivo io ka izay mahavita aloha no manenina.
niryna
46.
misara-bady tanora manome zara ho an'ny sasany
220776
47.
Tanora ratsy fihary ka antitra vao ratsy laoka.
aivetinakely
48.
Tanora ratsy fiary antitra vao ratsy laoka
niryna
49.
Tanora ratsy fihary, ka antitra vao ratsy laoka.
aivetinakely
50.
Misao-bady tanora ka manome zara ny hafa
ikalamako
51.
Ny manary vady tanora manome ny tsy manana
aivetinakely
52.
Tano ny azo fa sarotra ny mila.
niryna
53.
Aza manao: tsindrio fa resy;tano fa azo
niryna
54.
Raha tanora tsy ho jejo dia aleo maty ho razana
latina
55.
Ny tanora valaka tsy mahaleo ny lahy antitr'Imamo
latina
56.
Tsy misy hianterana toa bozaka: tanora sakafon'ny omby, antitra, sakafom-patana
latina
57.
Akondro (voany) mahia latsaka an-doha sola, ny tanora indray no mamoafady ny antitra
latina
58.
manalasala ohatry ny vozon'akoho tanora, atao nofony toa taolana, atao taolana toa nofony
raniry
59.
Tanora mamboly hazo, antitra manan-kialofana
herikely
60.
Misaotra vady tanora ka manome zara ho an'ny sasany
tovolahy007
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0197