Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe Tano
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
Tano
Hampiditra ohabolana
61.
Tanora mamboly hazo, antitra manan-kialofana
herikely
62.
Misaotra vady tanora ka manome zara ho an'ny sasany
tovolahy007
63.
Tanora mamboly hazo, antitra misy ialofana
tovolahy007
64.
Hoy ty antimo any hoe: tano ny azo fa sarotse ty mila
roscarb
65.
Tanora ratsy fiary ka antitra vao ratsy laoka.
ariel
66.
Ny alika jamba nytaona, ny olona jamba ny vola, ny tanora jamba ny fitiavana
doum
67.
Misao-bady tanora manome zara ho an'ny sasany
doum
68.
Raha zaza no tsy hilalao modia ho tanora, raha tanora no tsy handihy modia ho antitra raha antitra no tsy hampiady kalo, modia ho razana, raha razana no tsy hitahy mifoha hiady vomanga
doum
69.
Tanora ratsy fihary ka antitra vao ratsy laoka
doum
70.
Mamboly hazo tanora, antitra mana
JMR
71.
Hoditra azon'antitra: tsy hanina fa tanontanonina foana.
jentilisa
72.
tanora be sondrotr'aina mety ho faty alohan'ny marary
jentilisa
73.
Sandry be tsy hery; fahatanorana tsy ody faty.
jentilisa
74.
valalan'amboa: tanora mitsipika, antitra mitsipika.
jentilisa
75.
tanora ratsy fihary ka antitra vao ratsy laoka
jentilisa
76.
Antitra aho vao be ny tanora
JMR
77.
Ny tanora vato mandondona, ny antitra hazo amoron-tevana
JMR
78.
Tsy nandre sa tailam-pandrenesana no mitondra teny tanora?
jentilisa
79.
Tsy nandre, sa tailana nandrenesana, no mitondra teny tanora ?
hery
80.
Tanora ratsy fihary, ka antitra vao ratsy laoka
hery
81.
Misao-bady tanora ka manome zara ho an'ny hafa
JMR
82.
Nahoana no fony tanora tsy niala nenina, ka efa tsipolitra antitr vao tia sangy
McFy
83.
misao-bady tanora ka manome zara ny sasany
jentilisa
84.
tanora ratsy fihary, antitra vao ratsy laoka.
jentilisa
85.
Antitra vao be ny tanora
jentilisa
86.
Toy ny voatavo, tanora voatsongotsongo, antitra voabatabata
Avahi
87.
Tsy misy hianteherana toa bozaka, tanora sakafon’ny omby, antitra sakafom-patana
Avahi
88.
Tano ny azo fa sarotra ny mila
jentilisa
89.
Zaza no tsy hilalao mandihiza ho tanora. Tanora no tsy handihy mitafĂ ho lehibe. Lehibe tsy hiresaka midira ho antitra. Antitra tsy hitso-drano, mitahian-ko razana, fa raha razana tsy hitahy mifohaza hiady vomanga
jentilisa
90.
Hatanorana voninkazo
vale
1
2
3
4
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0755