Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe am-po
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
am-po
Hampiditra ohabolana
31.
ala-faditr'ilay moana, ka ao am-po no manisaisa
latina
32.
Kalon'ilay moana: am-po no mametsovetso
latina
33.
Jamba am-pototry ny jiro, ka maizina anilan'ny mazava
latina
34.
Ny ao ampon'ny siny mangatsiaka, fa ny ao am-pon'ny vilany mahamay
latina
35.
aza manao an'Andriamanitra azo am-po mandrakariva.
latina
36.
Firà gny hazo manam-pototsy, vaky gny hazo manan'ila, gny zaza nana-niteraky
SENATERA
37.
Inomako toaky tsy ampy, amakiako gn'am-po tsy vaky
SENATERA
38.
Ny endriky ny olona dia milaza ny miafina ao am-pony
Onira
39.
Ny hevitra terabary ka samy milaza izay ao am-pony
murier
40.
Kitapo tama-misy vola, ka raha mikointsam-poana mahamenatra.
jefra
41.
Atsipy ny tady eny atandroky ny omby, atsipy ny teny eny am-po ny mahalala
doum
42.
Aza manaram-po tahaka ny kary an'efitra.
jentilisa
43.
manaram-po fahazaza ka maka kitay fotsy volo
jentilisa
44.
Tokam-po tahaka ny siny: tsy manampo afa-tsy rano.
jentilisa
45.
Tsy tia aho e tsy tia aho e, nefa ny ao am-po mitaralila
JMR
46.
Trafon-kena ome-mahery ambava homana am-po mieritreritra
JMR
47.
Mitsangam-poana toa kiady
McFy
48.
Manaram-po fahazaza, ka maka kitay fotsy volo
hery
49.
Am-bavany malefaka, am-pony tsy tia
hery
50.
Hoy ny akoho mikotrika: nokobaniny tany am-poto-tsofiny lahy ny atodiko; nefa ny mikiakiaka mbola ho zaza, ary ny mikobana efa lamokany.
jentilisa
51.
Ambavany malefaka, am-pony tsy tia
McFy
52.
Zozoro taingenam-pody tsy folaka fa mandefitra
JMR
53.
vero taingenam-pody, tsy folaka fa mandefitra
jentilisa
54.
Faly sahirana toy ny akohokely notsipazam-potsimbary.
jentilisa
55.
Lolo fotsy mitonon-tena ka matin'ny nahiam-pony
McFy
56.
Trafon-kena ome-mahery, am-bava homana am-po mieritra
jentilisa
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.6407