Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe an-tanà
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
an-tanà
Hampiditra ohabolana
31.
Kindiho gny maty, tonabe gn'an-tanà
SENATERA
32.
alika avao ro masiaky an-tanà
roscarb
33.
Aleo manana iray an-tanana toy izay roa mbola ho avy
Ingahy
34.
Aleo manana vorona iray an-tanana toy izay zato eny an'habakabaka
Ingahy
35.
Ny nantenaina tsy azo ny an-tanana votsotra.
hery
36.
Mandimby ray tsy satry toa fandrotrarana an-tanàna haolo
doum
37.
Varotra amponga an-tanana; sady mahare ny feony no mahalany ny vidiny.
jentilisa
38.
Nofon-kena an-tanan-tsaka: lasa tsy miverina intsony.
jentilisa
39.
tsy takona afenina toy ny tafika andrefan-tanàna
jentilisa
40.
Mahery an-tanana toy ny akoholahy fataka
JMR
41.
Izay mahay manana, manan-droa; fa raha tsy mahay manana, ny an-tanan-droa foana avokoa.
jentilisa
42.
Akory ilay malaina: asaina miasa lohataona manao hoe vaky lafika aho, asaina manosy fahavaratra milaza ho mararin'ny tazo, avela an-tanàna tsy mahamasa-kanina.
jentilisa
43.
mifampiditra an-tanàna toy ny salaka sy vody
jazz666
44.
Ataovy toy ny dian-tanalahy, tsinjovina ny eo aloha, jerena ny aoriana.
jentilisa
45.
Vary sy rano an-tsaha tsy mifanary an-tanàna tsy mifandao
vale
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0206