Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe arina
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
arina
Hampiditra ohabolana
31.
Ny marina toy ny tsiriry anaty harefo : tsy maty, fa malazo
yveratsimb
32.
Ny olona marina ohatra ny vato lava sorona, ka izay ametrahana azy marina avokoa
yveratsimb
33.
Maizina ny andro, azo tsilovina; lalina ny rano azo lakanana; lalina ny hady,azo toharina; fa ny ratsy atao tsy mba azon-kevitra
yveratsimb
34.
Ny tena marina ohatry ny fia-pary, ka na lava aza, tsy lany hamamiana
yveratsimb
35.
Setroka sy tomany tsy mba sarotra fantarina
yveratsimb
36.
Ny zaza no tia rairay, dia ny lehibe no fangalarina
yveratsimb
37.
ny marina toy ny afo, raha fonosina mandoro
yveratsimb
38.
Raha mamboly ka tsy mahavanona, ampio fa havana ory; fa raha miraviravy tanana tsy miasa avelao hivarina an-kady.
taratriniaina
39.
raha mararin-teny, aza mitakarina.
itaramasoandro
40.
Hendry anarina ka ny "izaho ve no adala no asesika"
aivetinakely
41.
Mpangalatra tsy azo, olo-marina.
soanja
42.
Ny vato no mikodia mitady tany marina.
soanja
43.
Rafotsibe lavo an-tambiazina, ka raha tafarina dia mitsipon-tsindretra.
soanja
44.
"Aleo sakafo anana hampian-tsetsetra toy izay omby mifahy asiann-dromoromo" Aleo ny kely omban'ny fahamarinana toy izay harem-bevava azo amin'ny tsy rariny"
mpoon
45.
Fisaka ny marina ka saro-patarina
niryna
46.
Ny adala no tsy inoan'teny, na marina aza manahirana
Crionlas
47.
Ny ratsy mora ianarana fa ny tsara saro-takarina
Corice
48.
Ny teny marina toy ny fia-pary, ka na lava aza, tsy lany hamamiana
niryna
49.
Aza mandrimandry manana aretina, fa fotory ny tena marina aminy.
aivetinakely
50.
Efa lany andro ny vady amboarina.
aivetinakely
51.
Aza misafidy eo anoloan'ny akoho sy atody, fa tsy fantatra marina izay taloha.
aivetinakely
52.
Namboarina nitovy ny olona fa ny faniriana ao anaty no tsy itovizany
niryna
53.
Fatra-piahy mpamosavy, fatra-pifehy fangalarina
niryna
54.
Ny fitia trano rava ka ny manarina azy manahirana, ny manangana vaovao mandany hery.
aivetinakely
55.
Tsy misy mafy toy ny raibe mijery ny zafikely hanarina
niryna
56.
Ny ambilia tsy lany, ka ny any ambilany takarina
sylvoalias
57.
Tefin'olona tsy mahay ka tsofa no manamarina azy.
niryna
58.
Ho faly ny vahoaka, raha mihamaro ny marina
niryna
59.
Ny zanaka tiana no hanarina
niryna
60.
Fisaka ny marina ka sarotra fatarina
niryna
1
2
3
4
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0208