Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe arina
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
arina
Hampiditra ohabolana
91.
Ny marina mitavozavoza tsy mahaleo ny lainga tsara lahatra
doum
92.
Ny marina tsy mba maty
doum
93.
Ny hendry no hanarina
doum
94.
Ny manan-dray no anarina ka ny kamboty no mahazo aloha.
jentilisa
95.
Marina fa misy lainga ary lainga fa misy ny marina
JMR
96.
Tovovavin'Ambohimanarina, votsa saina fa kinga fitombenana
JMR
97.
Ny hendry ihany no anarina
JMR
98.
Ny adalan'ny olona ihomehezana fa ny adalan'ny tena anarina
JMR
99.
aza mijery arina an-tava
jentilisa
100.
Ny teny marina ohatry ny fia-pary, ka na lava aza, tsy lany hamamiana
hery
101.
Teny zato, kabary arivo, fa iray ihany no marina
McFy
102.
Ny roa no tsara noho ny iray : raha lavo misy mpanarina
hery
103.
lamba fotsy halan'arina
jentilisa
104.
Arivo teny, zato kabary, fa iray ihany no marina
booboo
105.
Ny teny marina ohatra ny fia-pary ka na lava aza tsy lany hamamiana.
ftma
106.
Kitikitihan'ny marina ka milaza tsy anontaniana
vale
107.
Ny olona marina toy ny ombalahy ampandronjinana : tsy folaka anio, tsy maty mandrakizay
Fanja1
108.
Ny olona marina hoatra ny vato lava sorona, ka izay ametrahana azy marina avokoa
Fanja1
109.
Ny marina miraviravy tsy maharesy ny lainga tsara lahatra
chipie1
110.
Maizina ny andro, azo tsilovina; lalina ny rano azo lakanana; lalina ny hady, azo toharina; fa ny ratsy atao tsy mba azon-kevitra
hery
111.
Ny olona marina ohatry ny vato lava sorona, ka izay ametrahana azy marina avokoa
hery
Voalohany
Mialoha
2
3
4
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0733