Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe arina
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
arina
Hampiditra ohabolana
91.
Ny marina tsy mba maty
doum
92.
Ny hendry no hanarina
doum
93.
Ny manan-dray no anarina ka ny kamboty no mahazo aloha.
jentilisa
94.
Marina fa misy lainga ary lainga fa misy ny marina
JMR
95.
Tovovavin'Ambohimanarina, votsa saina fa kinga fitombenana
JMR
96.
Ny hendry ihany no anarina
JMR
97.
Ny adalan'ny olona ihomehezana fa ny adalan'ny tena anarina
JMR
98.
aza mijery arina an-tava
jentilisa
99.
Ny teny marina ohatry ny fia-pary, ka na lava aza, tsy lany hamamiana
hery
100.
Teny zato, kabary arivo, fa iray ihany no marina
McFy
101.
Ny roa no tsara noho ny iray : raha lavo misy mpanarina
hery
102.
lamba fotsy halan'arina
jentilisa
103.
Arivo teny, zato kabary, fa iray ihany no marina
booboo
104.
Ny teny marina ohatra ny fia-pary ka na lava aza tsy lany hamamiana.
ftma
105.
Kitikitihan'ny marina ka milaza tsy anontaniana
vale
106.
Ny olona marina toy ny ombalahy ampandronjinana : tsy folaka anio, tsy maty mandrakizay
Fanja1
107.
Ny olona marina hoatra ny vato lava sorona, ka izay ametrahana azy marina avokoa
Fanja1
108.
Ny marina miraviravy tsy maharesy ny lainga tsara lahatra
chipie1
109.
Maizina ny andro, azo tsilovina; lalina ny rano azo lakanana; lalina ny hady, azo toharina; fa ny ratsy atao tsy mba azon-kevitra
hery
110.
Ny olona marina ohatry ny vato lava sorona, ka izay ametrahana azy marina avokoa
hery
Voalohany
Mialoha
2
3
4
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0205