Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe avela
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
avela
Hampiditra ohabolana
31.
avelao hitaha hahitana ny lesoka, avelao hamindra hahitana ny tsivaka
latina
32.
Raha ambaka samy lela, avelao hikipaka
latina
33.
Manalasala tahaka ny manambady vaviantitra hitositosy toa renibe avela amin'izao anjara vadin'ny tena, ka ny loa-bary sisa no andrasana
hery
34.
Tovolahy manambady anti-bavy, tolomina toa Renibe avela anefa anjaran'ny tena
arson
35.
Lomano an-dranomasina be ny vita ary be koa ny tavela
bmw307
36.
Salasalany toy y akotrilahy : arahabaina tsy andriana, avela miakanjo jaky.
mandrindra
37.
Enti-tsy zaka, avela tsy foy
mandrindra
38.
sokina ambody voaroy: alain-tsy azo, avela mahamanina.
jentilisa
39.
Volamena latsaka am-bovoka, tsy avelan'ny soa tsy hihiratra
JMR
40.
Manalasala toy ny parasy am-pitombenana, avela mangidihidy, haorina manamaimbo tanana!
JMR
41.
Tsy avelan'ny ela tsy ho antitra
hery
42.
Atody makakoa latsaka an-dalana, samborina izy maty ny ray; avela izy, maty ny reny.
ftma
43.
Akory ilay malaina: asaina miasa lohataona manao hoe vaky lafika aho, asaina manosy fahavaratra milaza ho mararin'ny tazo, avela an-tanĂ na tsy mahamasa-kanina.
jentilisa
44.
Volamena latsaka am-bovoka, tsy avelan'ny hasiny tsy hamiratra
Vetso
45.
Volamena latska am-bovoka, tsy avelan'ny soa tsy hihiratra
jentilisa
46.
Toy ny osivavy somorina : ny lova tamin-dray tsy avela, ary ny hetra tamin-dreny tsy diso.
hery
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0879