Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe endry
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
endry
Hampiditra ohabolana
31.
Ny vava tsy voatandrina ahitan-doza, ka na ny adala aza rehefa tsy miteny toa hendry ihany.
niryna
32.
Ny hendry mody voky, ny adala misesika ihany.
aivetinakely
33.
Ny fahatezeran'ny adala dia avoakany avokoa, fa ny endry kosa manindry fo
niryna
34.
Ataoka adala toa tezitra, ataoko hendry kanefa toa asa..
niryna
35.
Ny manana omby manana hena, ny manan-tsira mahay mahandro, fa ny manana olon-kendry manana ny ho mpitondra firenena.
aivetinakely
36.
Mpitovo mananatra ny mpanambady, ka hendry tsy manan-ko an-tena.
latina
37.
raha hendry loholona, dia hendry vahoaka
latina
38.
aza manao hendry anatiny toa samoina, ka raha mivoaka afatotry ny sasany
latina
39.
Mpatsaka mahay mikabary: hendry ihany fa tsindrian'ny tavim-bilany
latina
40.
raha ny kapoka no maha hendry, dia ny omby no hendry aloha
latina
41.
hendry an-tranon'olona toa Rainitoazy
latina
42.
Monina ambanin'ny saokan'ny hendry
latina
43.
hendry miady amin'adala, ka havizanana no hita
latina
44.
Ady amin'adala ka ny hendry no miala
latina
45.
Ny hendry ihany no anarina fa raha ny adala no tenenina ny lambany no ariany
Moundzee
46.
Ny hendry mody voky fa ny adala misesika ihany.
babalahy
47.
Ka manao alahelon-tsitsiky ka hiakendry @ ty tsy misy antony!
roscarb
48.
Mpatsaka mahay mikabary, hendry ihany fa ambanin'ny tany.
jentilisa
49.
Ny hendry no hanarina
doum
50.
Ny hendry mody voky fa ny adala manesika ihany
doum
51.
Tantely vaky: mitsentsitra avokoa na ny adala na ny hendry.
jentilisa
52.
Ny hendry ihany no anarina
JMR
53.
Hovalahy tsy hendry ka zaza-hova vao hilavo-tena
McFy
54.
Raha jerena, toa olon-kendry, tantely fiandry andriana ; kanjo nony dinidinihina, fanambonim-bary fiandry alika
hery
55.
Izay hendry no atao Rangahy
hery
56.
Hendry miady amin'ny adala, ka havizanana no hita
hery
57.
Ady amin'ny adala, ka ny hendry no miala
LouAnne
58.
Ny fikasana no an'ny olombelona fa ny tendry an'Andriamanitra
Vetso
59.
Mpitovo mananatra ny manana, hendry ka tsy manan-ko an'ny tena
jentilisa
60.
ny hendry mody voky, ny adala manesika ihany.
jentilisa
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0174