Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe endry
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
endry
Hampiditra ohabolana
31.
Raha hendry hianao dia hendry ho an'ny tenanao ihany, raha maditra hianao dia hianao irery no hiharan'izany
niryna
32.
Ny vava tsy voatandrina ahitan-doza, ka na ny adala aza rehefa tsy miteny toa hendry ihany.
niryna
33.
Ny hendry mody voky, ny adala misesika ihany.
aivetinakely
34.
Ny fahatezeran'ny adala dia avoakany avokoa, fa ny endry kosa manindry fo
niryna
35.
Ataoka adala toa tezitra, ataoko hendry kanefa toa asa..
niryna
36.
Ny manana omby manana hena, ny manan-tsira mahay mahandro, fa ny manana olon-kendry manana ny ho mpitondra firenena.
aivetinakely
37.
Mpitovo mananatra ny mpanambady, ka hendry tsy manan-ko an-tena.
latina
38.
raha hendry loholona, dia hendry vahoaka
latina
39.
aza manao hendry anatiny toa samoina, ka raha mivoaka afatotry ny sasany
latina
40.
Mpatsaka mahay mikabary: hendry ihany fa tsindrian'ny tavim-bilany
latina
41.
raha ny kapoka no maha hendry, dia ny omby no hendry aloha
latina
42.
hendry an-tranon'olona toa Rainitoazy
latina
43.
Monina ambanin'ny saokan'ny hendry
latina
44.
hendry miady amin'adala, ka havizanana no hita
latina
45.
Ady amin'adala ka ny hendry no miala
latina
46.
Ny hendry ihany no anarina fa raha ny adala no tenenina ny lambany no ariany
Moundzee
47.
Ny hendry mody voky fa ny adala misesika ihany.
babalahy
48.
Ka manao alahelon-tsitsiky ka hiakendry @ ty tsy misy antony!
roscarb
49.
Mpatsaka mahay mikabary, hendry ihany fa ambanin'ny tany.
jentilisa
50.
Ny hendry no hanarina
doum
51.
Ny hendry mody voky fa ny adala manesika ihany
doum
52.
Tantely vaky: mitsentsitra avokoa na ny adala na ny hendry.
jentilisa
53.
Ny hendry ihany no anarina
JMR
54.
Hovalahy tsy hendry ka zaza-hova vao hilavo-tena
McFy
55.
Raha jerena, toa olon-kendry, tantely fiandry andriana ; kanjo nony dinidinihina, fanambonim-bary fiandry alika
hery
56.
Izay hendry no atao Rangahy
hery
57.
Hendry miady amin'ny adala, ka havizanana no hita
hery
58.
Ady amin'ny adala, ka ny hendry no miala
LouAnne
59.
Ny fikasana no an'ny olombelona fa ny tendry an'Andriamanitra
Vetso
60.
Mpitovo mananatra ny manana, hendry ka tsy manan-ko an'ny tena
jentilisa
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0927