Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe fotsy
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
fotsy
Hampiditra ohabolana
31.
Rafotsy be mita tatatra ka manitatra ny efa mikombona.
01
32.
Rafotsy be leo trandraka ka matahotra ny vody kifafany.
sylvoalias
33.
Aleo ho tsara laza toy izay ho be harena.Ary tsara ny fitia noho ny voafotsy sy ny volamena
niryna
34.
Miavaka anatiny ohatran'ny maso fotsy.
niryna
35.
Rafotsy be kendam-bomanga, kendan' ny nasesiky ny tananany
rtol
36.
Aza mitono tena tahaka ny lolofotsy.
aivetinakely
37.
Ny fanambadiana tahaka ny jiafotsy, vao tsy ialàn-kasokasoka, tonta tsy ialàn-dromoromo.
aivetinakely
38.
Fotsifotsy fanahy toa takatra, ka ny tain-kary avy no atao trano.
niryna
39.
Lolo fotsy mitono tena ka matin'ny nahim-pony
latina
40.
Aza atao fotsy volo mitozo foana, na zokiny manara-dia
latina
41.
Fotsy maso an-danonana, ka izay an'ny tena no adiridiry
latina
42.
Ny fihavanana aza atonao toy ny jiafotsy: intelo asampina ka mievotra ihany.
latina
43.
Fotsifotsy fanahy toa takatra, ka ny tain-kary avy no atao trano.
latina
44.
Ingorofotsy mitono sahondra, ka bokan'ny nataony
latina
45.
Ny fihavanana toa jiafotsy, vao tsy ialan-kasokasoka, ary tonta tsy ialan-dromoromo.
marozevo
46.
Miteny tsy afa-tsiny toy ilay tovolahy manambady rafotsy be, itositosiana toa renibe, hilaozana nefa anjaran'ny tena, loa-bary sisa iononana, mihinana fa izay voky maharaka ny namany
ramix
47.
Fotsy vary manafina akotry
ftma
48.
Aleo mihina-kely toy izay mandry fotsy
doum
49.
Rafotsy be mita -tatatra ka manokatra ny efa mikombona
doum
50.
Rafotsy be very laona ka miandry izay higadonany
doum
51.
manaram-po fahazaza ka maka kitay fotsy volo
jentilisa
52.
Aleo mihinan-kely toy izay mandry fotsy
JMR
53.
Rafotsy be mangetotra an-tsena : laza no tadiavina!
JMR
54.
Ny fanambadiana toy ny jiafotsy : raha vao tia kasokasoka, rehefa tonta tsy hilaozandromoromo
mandrindra
55.
Manaram-po fahazaza, ka maka kitay fotsy volo
hery
56.
Manahy manana toy ny manana jiafotsy
jentilisa
57.
aza mahafotsy rora miteny ny ray aman-dreny.
jentilisa
58.
Rafotsy be mihinam-boangory tokana, tapahana poritra, hanina malady lany
McFy
59.
lamba fotsy halan'arina
jentilisa
60.
Lolo fotsy mitonon-tena ka matin'ny nahiam-pony
McFy
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0806