Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe fozan
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
fozan
Hampiditra ohabolana
31.
Aza manantena tsy misy toy ny manantena lovan-rafozan-doza.
dziana
32.
Aleo miandry fatin-dRafozana toy izay miandry hani-masaka.
aivetinakely
33.
Izay tia rafozana mitsinjo ny rahampitso, izay malay vady mandrava ny androany.
aivetinakely
34.
saobakaka mamangy rafozana ny mpamangy mototra ny vangiana mototra.
tendry77
35.
Miasa jamba rafozana toy ny vinanto vao.
niryna
36.
Sahobakaka mamangy rafozana ka ny mpamangy montotra ny vangiana montotra!
rtol
37.
Saka fozan'ilay monga, vao maika manosika azy any an-davaka.
aivetinakely
38.
Dedaka tonga rafozana, akohokely ka indramam-pamaky.
aivetinakely
39.
Raha tiana ny vady, ny rafozana no tsinjovy manefitra
niryna
40.
Miasa jamba rafozana;herim-po very foana.
niryna
41.
Raha tiana ny vady, ny rafozana no tsinjovi-mandeha
Aotsara
42.
Diso hery loatra, ka mamely kopala rafozana
latina
43.
Aza manao toy ny rafozana jamba, ka aleo hateran-tsira kely toy izay homen-damba tsara
latina
44.
Vady hariana be tsiny, zanak'olon-tsy vadiana toa soa, tsy rafozana toa bohaka
latina
45.
vazivazy iray an-dalana, fa ny nonon-drafozana tsy filalao
miara
46.
raha tina ny vady ny rafozana no tsindrovi- mandeha
caloh
47.
Mitabataba tonga rafozana, atody akoho no laoka ka famaky no tadiavina
razooz
48.
Manalasala toa rafozan-doza : omena ny manta, tsy omby vilany, omena ny masaka, sisa tsy lany
zouzou
49.
Rafozan-doza sy vinanto tsy vanona, tafaray samy varatra
zouzou
50.
Avy vinanto marani-pangady, avy rafozana vondrak'akoho.
ftma
51.
Arabarabao ny mpandalo fa tsy fantatra izay horafozanina
doum
52.
Vinantolahy tonga rafozana, akoho iray no ho vonoina ka antsy fito no ahetsiketsika
JMR
53.
Ny vady no tiana ka ny rafozana no malala
jentilisa
54.
Miasa jamba rafozana, herim-po very foana
jentilisa
55.
Be setrasetra ka mamely daka rafozana
jentilisa
56.
Arahabao ihany izay hita fa tsy fantatra izay fara-rafozana
jentilisa
57.
Rafozan-doza sy vinanto tsy vanona
jentilisa
58.
Rafozana jamba: aleony hanateran-tsira kely toy izay omen-damba tsara
jentilisa
59.
Aleo tsy tiam-bady toy izay tsy tian-drafozana
jentilisa
60.
ny hovadiana be ihany fa ny horafozanina no tsy misy
jentilisa
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0205