Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe lamba
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
lamba
Hampiditra ohabolana
31.
Izay sahy maty ihany no mifono lamba mena.
niryna
32.
Sasa lamban'Antananarivo, aleo rovitra toy izay tsy hadio.
aivetinakely
33.
aza mipetra potsiny ohatra ny lamban'ny piasa
stella1
34.
Ny fitiavana toy ny lamban'akoho ka faty no hisarahana.
niryna
35.
Ny fitiavana toy ny lambamena ka faty no hisarahana.
niryna
36.
lambam-boka, ka izay sahy no mindrana
latina
37.
lambarano voahosotra arina: tafaray samy ngerona
latina
38.
Manasa lamba be tseroka, na madio aza, mangarahara
latina
39.
Lambamena nenti-nanitsaka, ka babon'ny mpisambotra.
latina
40.
Tsihy be lambanana ny ambanilanitra
latina
41.
Ny lamban'ny matory irakofan'ny mahatsiaro.
lanto
42.
Ny hendry ihany no anarina fa raha ny adala no tenenina ny lambany no ariany
Moundzee
43.
Lamban'akoho ka faty no isarahana
FRanaivo
44.
aza atoka monina sahala amin'ny lamba miofy
mmirranntto
45.
Tsy adala aho fa ny lambako no mavomavo
herikely
46.
Izay ela fiemboka may lamba
vats
47.
lamba ka tsy misy atiny sy vohony
zouzou
48.
toy ny lamba : raha tezitra, isikinana ; raha mandry, irakofana ; raha mandeha, itafiana
zouzou
49.
raha misy maka ny entanao homeo azy koa ny lambanao
doum
50.
Ny fanambadiana toy ny lamban'akoho ka faty no isarahana
JMR
51.
Izay mahasahy maty no mifono lambamena
JMR
52.
Lamba ny fanambadiana ka raha vao dia rehareha
mandrindra
53.
Raha ny mamba sy ny voay no miady, dia aoka hifandramatra; fa tsy salaka ho tapaka, ary tsy lamba ho rovitra.
jentilisa
54.
Fitia lamban'akoho, aina no fetra
LouAnne
55.
Manasa lamba be tseroka: na madio aza, mangarahara
hery
56.
lamba fotsy halan'arina
jentilisa
57.
Totozy sy voalavo, iray volo fa tsy iray lamba
McFy
58.
Izay sahy maty mifono lambamena
jentilisa
59.
Mpandihy miakanjo halatra ka mitotorebika amin-doza; mpitsinjaka manao lamba indrana ka manome voninahitra ny tompony.
mbelo
60.
Aza ny tarehiko mavomavo no jerenao fa ny havako an-dilambato heverina
Fanja1
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1643