Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe latsak
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
latsak
Hampiditra ohabolana
31.
Manao tsy tea ka latsak'anaky
roscarb
32.
Aza atao fihavanana somidika ambony toa menaka, fa ataovy fihavanana latsaka anaty toa tsoka
rakekely
33.
Ny mihinam-bary aza misy latsaka.
ariel
34.
Sira latsaka an-drano tsy mimpody eky
Viky
35.
Alika miandry embok'akondro, andrasana tsy latsaka, ilaozana toa hena
zouzou
36.
Anti-dahy mangery amoron-kady ka izy indray no latsaka alohan'ny tainy.
panjakely
37.
mihinam-bary aza misy latsaka
jentilisa
38.
Alika miandry embok'akondro: andrasana tsy latsaka, ilaozana toa hena.
jentilisa
39.
Aza manao sahala @ jamba mangery amoron-tevana ka latsaka aloan'ny tainy
fotaka
40.
Volamena latsaka am-bovoka, tsy avelan'ny soa tsy hihiratra
JMR
41.
Aza miandry mana hilatsaka avy any an-danitra
JMR
42.
Aza misomidika ambony toa menaka : fa ataovy latsaka anatiny toa tsoka
hery
43.
Atody makakoa latsaka an-dalana, samborina izy maty ny ray; avela izy, maty ny reny.
ftma
44.
Sira latsaka an-drano ka tsy himpody intsony!
jentilisa
45.
Volamena latsaka am-bovoka, tsy avelan'ny hasiny tsy hamiratra
Vetso
46.
Ny teny toy ny ombimanga anaty vero, ka raha pizina latsaka an-kady
hery
47.
latsahambaratra am-pangerena ka latsaka alohan'ny tay
jazz666
48.
Kilemaina mangery amoron'kady ka latsaka alohan'ny tay
jazz666
49.
Voalavo latsaka am-bilanibe ka tsy afa-miala
McFy
50.
Akoho kely latsaka an-kady, hiantso, kely feo; hanidina, tapak'elatra; hitoetr ihany, manina an-dreniny
McFy
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0163