Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe mety
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
mety
Hampiditra ohabolana
31.
Rehefa tsy mety ny atao, na ny patsa iray tsy omby vava.
aivetinakely
32.
Rehefa mety ny atao, na ny saho-bakàka aza mampidi-dranon-ketsa.
aivetinakely
33.
Tsy mety raha miala maina toy ny mandevina amboa.
niryna
34.
Aza manao toy ny andevolahy mahay valiha; asaina manao tsy mety; noho ny tsy irahina, manao.
niryna
35.
Aza mety atao fantaka fanolehan-tsarika.
niryna
36.
Aza mety atao fantaka fanolehan-tsarika
latina
37.
tsy mety raha manam-bady tsy miera, manan-dray tsy midinidinika
latina
38.
rehefa tsy mety hono ny atao na ny ranovola aza misy voay
vanjanofy
39.
Sira latsaka an-drano ka mamoy no mety
bobone
40.
Ilà ty aroy ie tsy mety, ilà ty tay ie tsy mety, bakeo @'zay todry ty mandrogay
roscarb
41.
Tsy mety raha tsy mena-milahatra toy ny nify sosona
zouzou
42.
Tsy mety raha ny havia no mody havanana
zouzou
43.
Adala nomen-tanan'ondry, na hosoloina hofany aza tsy mety.
ftma
44.
Tanana efa zatra nitsotra tsy mety mivokona intsony
doum
45.
tanora be sondrotr'aina mety ho faty alohan'ny marary
jentilisa
46.
Rehefa mety ny atao ny sahobakaka aza mampidi-dranoketsa. Rehefa tsy hety ny atao, ny tain'akoha aza mahasolafaka
JMR
47.
Tanala very sampy ka ny manova no mety
jentilisa
48.
Tsy mety raha fony tsimbotry niaraka ihany ka adrisa vao hifanary.
jentilisa
49.
tsy mety raha tai-dronono mandroatra
jentilisa
50.
Raha tsy mahalà izay teny tsy mety tsy mba lehilahy
hery
51.
Raha mety ny atao, sahobakaka aza mampidi-dranon-ketsa
hery
52.
ny ankizy no manao ny tsy mety ka ny ray aman-dreny no afa-baraka
jentilisa
53.
Tsy mety ny mitsako alohan'ny vazana, na kely mialoha andriana tahaka ny tehina
jentilisa
54.
Tsy mety ny manao ranomaso manetsi-keloka ka ny mamono indray no mamonjy fandriana ary ny mamo indray no miantso polisy.
jentilisa
55.
toko tapaka, vilany mitongilana izay tsy mety arenina
jentilisa
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0173