Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe mety
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
mety
Hampiditra ohabolana
31.
Tsy mety raha miala maina toy ny mandevina amboa.
niryna
32.
Aza manao toy ny andevolahy mahay valiha; asaina manao tsy mety; noho ny tsy irahina, manao.
niryna
33.
Aza mety atao fantaka fanolehan-tsarika.
niryna
34.
Aza mety atao fantaka fanolehan-tsarika
latina
35.
tsy mety raha manam-bady tsy miera, manan-dray tsy midinidinika
latina
36.
rehefa tsy mety hono ny atao na ny ranovola aza misy voay
vanjanofy
37.
Sira latsaka an-drano ka mamoy no mety
bobone
38.
Ilà ty aroy ie tsy mety, ilà ty tay ie tsy mety, bakeo @'zay todry ty mandrogay
roscarb
39.
tsy mety raha tsy mena-milahatra toy ny nify sosona
zouzou
40.
Tsy mety raha ny havia no mody havanana
zouzou
41.
adala nomen-tanan'ondry: na hosoloina hofany aza tsy mety.
ftma
42.
Tanana efa zatra nitsotra tsy mety mivokona intsony
doum
43.
tanora be sondrotr'aina mety ho faty alohan'ny marary
jentilisa
44.
Rehefa mety ny atao ny sahobakaka aza mampidi-dranoketsa. Rehefa tsy hety ny atao, ny tain'akoha aza mahasolafaka
JMR
45.
Tanala very sampy ka ny manova no mety
jentilisa
46.
Tsy mety raha fony tsimbotry niaraka ihany ka adrisa vao hifanary.
jentilisa
47.
tsy mety raha tai-dronono mandroatra
jentilisa
48.
Raha tsy mahalà izay teny tsy mety tsy mba lehilahy
hery
49.
Raha mety ny atao, sahobakaka aza mampidi-dranon-ketsa
hery
50.
ny ankizy no manao ny tsy mety ka ny ray aman-dreny no afa-baraka
jentilisa
51.
Tsy mety ny mitsako alohan'ny vazana, na kely mialoha andriana tahaka ny tehina
jentilisa
52.
Tsy mety ny manao ranomaso manetsi-keloka ka ny mamono indray no mamonjy fandriana ary ny mamo indray no miantso polisy.
jentilisa
53.
toko tapaka, vilany mitongilana izay tsy mety arenina
jentilisa
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1027