Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe olotra
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
olotra
Hampiditra ohabolana
31.
Fihavana-molotra, tezitra vao mifanantona. Fihavanan'alika, tezitra vao mivanika.
RALANTO
32.
Tsy misy dondrona toy ny kisoa, fa rehefa tezitra manondro molotra.
marozevo
33.
Raha maratra ny tanana, mitsotsoka ny vava. Raha marary ny molotra, misafosafo ny tanana. Aza mitoto vary fohy loha. Aza manolo-bato mafana ny zaza. Mahery tsy maody hono tsy ho ela velona. Ataovy fisotro ranon'akoho, izay azo kely no andrandraina.
nanapiso
34.
mandray tsy raisina tahaka ny tsipolotra
jentilisa
35.
Aza manao tanin'andron'adevolahy, ka ny kibo no atolotra andro
McFy
36.
Nify sy molotra, ka ny mahery no afaka aloha
hery
37.
Molotra sy nify, izay malemy fanahy tratra am-parany
JMR
38.
aza ho toy ny tsipolotra, antitra vao tia sangy
jentilisa
39.
Aza manao fitiava-molotra tezitra vao mifanantona
vale
40.
Aza manao fihavan-molotra : tezitra vao mifanantona.
lanto
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.113