Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe varatr
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
varatr
Hampiditra ohabolana
31.
ody varatry Mompera ka de ny aza voany iany
tovolahy007
32.
rafonzan-doza sy vinanto tsy vanona, tafaray samy varatra
zouzou
33.
Zatra ny lalandririnina ka fahavaratra avy no manao hitsin-dalana
doum
34.
Akoho lahy fahavaratra ka rebarebany ihany
doum
35.
manjai-tsarotro lohataona hialofana raha fahavaratra.
jentilisa
36.
Lasan-ko bikany toa akoholahy fahavaratra
jentilisa
37.
Akory ilay malaina: asaina miasa lohataona manao hoe vaky lafika aho, asaina manosy fahavaratra milaza ho mararin'ny tazo, avela an-tanĂ na tsy mahamasa-kanina.
jentilisa
38.
Trano atsimosy avaratra, izay tsy mahalen-kialofana
JMR
39.
Mindrana angady fahavaratra, maniraka ny tompony hiasa
JMR
40.
Tanan-kavia sy havanana, izay didi-maharary. Trano atsimo sy avaratra, izay tsy mahalen-kialofana
hery
41.
Zatra ny lalan-dririnina ka fahavaratra avy no manao hitsin-dalana
vale
42.
Tsy nisy nivavaka niankandrefana, fa samy nianavaratra ihany; ny harena mila vintana ka raha tsy anjara, tsy tonga.
lanto
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.7412