Accueil
Insérer
Liste
Catégories
Inscription
Connexion
Liste des proverbes
Liste de tous les proverbes
Insérer un proverbe
6001.
Tsy misy mamy toy ny zanaka fa raha manaiki-nono ahifika
McFy
6002.
Raha zanaka tsy tia ray aman-dreny, miteraha mba hahita
McFy
6003.
Tokan'anaka ka sarin'ny momba
McFy
6004.
Ny voin-kava-mahatratra
McFy
6005.
Voalavo latsaka am-bilanibe ka tsy afa-miala
McFy
6006.
Akoho kely latsaka an-kady, hiantso, kely feo; hanidina, tapak'elatra; hitoetr ihany, manina an-dreniny
McFy
6007.
Tsingala sy dinta; raha miray trano loza, ary raha mifanaikitra, antambo
McFy
6008.
Ady amin'ny adala ka ny hendry no miala
McFy
6009.
Ny nenina tsy mipetrka hatao Mbay lalana, ary tsy mitsidika hatao Mandrosoa, fa aoriana vao mandatsa
McFy
6010.
Aleo maty toy izay menatra
McFy
6011.
Ny henatra mampiova ny tarehy
McFy
6012.
Izay tsy afa-po be nenina
McFy
6013.
Anarin-tsy zaka ka voa vao hoe: nankaiza ny tanteliko teto?
McFy
6014.
Alao henatra, alao tondro maso fa havana
booboo
6015.
Arivo teny, zato kabary, fa iray ihany no marina
booboo
6016.
Aza tsy tia olona fa ny olona no harena
booboo
6017.
Fitia naorina teny am-pakana kitay no rava eo am-pisoronana afo
ravaky
6018.
Ny teny toa ny nofon-kena, ka raha roritina tonga hozatra.
ftma
6019.
toy ny trano vaky vovonana ka mitondra teny mivoaka.
ftma
6020.
Ny teny marina ohatra ny fia-pary ka na lava aza tsy lany hamamiana.
ftma
6021.
Nify lanin'ny olitra ka alana no mahatsara azy
ftma
6022.
Mpiandry omby volavita: tsy tompony fa mpamerin-doha.
ftma
6023.
Mivarotra omby anaty ambiaty
ftma
6024.
Sikidy mila voa tsy hary mampandihy ny marary
jentilisa
6025.
mifohaza dieny malaina fa rehefa mazoto tsy afaka intsony.
jentilisa
6026.
kanto ny raozy fa misy tsilony, mamy ny fary fa misy faikany
jentilisa
6027.
tsy misy mangidy tahaka ny sakay fa rehefa teny ierana telina ihany
jentilisa
6028.
nandalo ramaka may ny tanàna
jentilisa
6029.
voa roa tahaka ny tain'omby natsentsina an-dava-bary
jentilisa
6030.
Avo ny lanitra ka tsy takatro
jentilisa
First
Previous
199
200
201
202
203
Next
Last
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0277