Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
6091.
Antitra miady kalo ka ny antitra antitra ihany
jentilisa
6092.
Izay sahy maty mifono lambamena
jentilisa
6093.
hevitra tsy azo mampihazohazo
jentilisa
6094.
Mitari-drano ankilahila ka ny very an-dalana no betsaka
jentilisa
6095.
tsy hidera vady mahay mandihy aho fa eo ny sandriny hilaza azy.
jentilisa
6096.
ny anateran-kira indray ve no milaza ho tsy mahay
jentilisa
6097.
Fanambadiam-boalavo ka samy mikepoka izay azony
jentilisa
6098.
Aza manao havana raha misy patsa
jentilisa
6099.
Horirik'Ambohimanambola: aleo lo toy izay ho an-kavana
jentilisa
6100.
Ny mahihitra ihany no lany be
jentilisa
6101.
Nanasa vahiny tsy tonga, sady voky no afaka adidy
jentilisa
6102.
Ataovy toy ny dian-tanalahy, tsinjovina ny eo aloha, jerena ny aoriana.
jentilisa
6103.
Tao-trano tsy efan'irery
jentilisa
6104.
Malaza ho avy any Namehana ka tsy mitondra voasary ho an-jaza
jentilisa
6105.
Ny fanahy no maha-olona
jentilisa
6106.
Maro ny hazo fa ny fary no mamy
jentilisa
6107.
Hazo sy vorona, izay manina no manatona
jentilisa
6108.
Akaiky vilany feno harona
jentilisa
6109.
Tapia tsy miakatr'Imerina, Amberivatry tsy midina Imamo
jentilisa
6110.
Vava-kisoa misy sira ka tokinao hihinana azy!
jentilisa
6111.
(Aza manao) kely tsy mba mamindro
jentilisa
6112.
saro-tadiavina tahaka ny gisa mainty
jentilisa
6113.
indray mandeha ve no manta vary dia handevin-tsotrobe
jentilisa
6114.
Ny adalan'ny olona ihomehezana fa ny adalan'ny tena itafian-damba.
jentilisa
6115.
Izay adala no toa an-drainy.
jentilisa
6116.
ny anarana tanim-boanjo ka samy mamaritra izay tiany.
jentilisa
6117.
raha tohina ny aty marary ny afero
jentilisa
6118.
Valalan'amboa ka ny tompony aza tsy tia
jentilisa
6119.
Izay mena valala, izay tiana malala
jentilisa
6120.
Nify samy fotsy, ra samy mena
jentilisa
Voalohany
Mialoha
202
203
204
205
206
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0257